Ny ekipan’ny Fosa Junior sy ny As Fanalamanga no hanao ny lalao famaranana amin’ny “Playoff Orange Pro League 2023”. Lavon’ny AS Fanalamanga Toamasina, tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Cosfa Analamanga, nandritra ny manasa-dalana. Fihaonana notanterahina teny amin’ny kianjan’ny Elgeco plus By-pass, omaly. Ankoatra izay, hahemotra amin’ny 9 jolay […]
Other News
Taranja Teqball : nandrombaka ny medaly volafotsy
Tsy nitsanga-menatra ny ekipam-pirenena malagasy, Teqball, nandritra ny andiany faharoa amin’ny lalao afrikanina fanao amin’ny torapasika «Jeux africains de plage 2023». Fihaonana notanterahina tao Hammamet Tunisie, ny 24 ka hatramin’ny 26 jona lasa teo. Nandrombaka ny medaly volafotsy ny ekipa olon-droa miaraka lahy sy vavy, nisy an-dRakotonirina Diarra Spencer Erickson sy […]
Basikety-“World Cup U19” : tapitra teo amin’ny ampahavalon-dalana ny lalan’ny Ankoay
Resin’ny ekipa frantsay teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana ny Ankoay ,omaly. 119 no ho 56 ny isa nisarahan’ny roa tonta. Resy tamin’ny isa 119 no ho 56 ny Ankoay, tany Debrecen Hongrie, omaly. Tapitra hatreo ny lalan’i Madagasikara, amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany. Noravain’i Frantsa, teo amin’ ny ampahavalon-dalana ny nofinofin’i […]
Basy telo tratra… : lavon’ny zandary i Norobe sy ny namany
Lavon’ny balan’ny zandary nandritra ny fifampitifirana tao Antsahatanteraka Andranomanelatra, Antsirabe II, ny alatsinainy teo, ny jiolahy raindahiny antsoina hoe i Norobe sy ny namany iray. Teo am-piomankomanana hanao fanafihana izy ireo no nifanehatra tamin’ny zandary. Tafaporitsaka nandritra ny fifanandrinana ny roa lahy naman-dry zalahy. Tratra teny amin’izy ireo ny basy […]
Mihava Tour tao Paris : “Ilaina ny fanjakana tan-dalàna…”
Vory lanona tao Paris, ny herinandro teo, ireo zanaka am-pielezana “Diaspora” avy any Eoropa, niatrika ny Mihava Tour. Nitarika izany tany an-toerana ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny sy ireo solombavambahoaka namany. Nambarany fa mila asa azo tsapain-tanana isika. Leo fampanantenana tsy tanteraka ny vahoaka ka ny tena azo atao sy maharesy […]






