Other News

Ampasika : Vehivavy iray hita faty nentin’ny ranon’Ikopa

Nahitana fatina vehivavy iray manodidina ny 20 taona teo ho eo indray ny reniranon’Ikopa, tetsy Ampasika Avaratra, omaly hariva tamin’ny 5 ora. Olona sendra nandalo teny amin’ny manodidina no nahatsikaritra fatin’olona natsingevan’ny rano. Niondrika tao anaty rano ny fahitana ny razana nandritra izany. Vory lanona ny mponina nahita izany. Lehilahy […]

Nanaraka an-drainy naka fasika : Zazavavy telo taona, maty nohitsahin’ny sarety

Namoy ny ainy, voahitsaky ny sarety, tetsy Mahamaintiomby Anjozorobe, ny zazakely vao telo taona, omaly maraina. Nipitika avy eny ambony sarety izy, voahosin’ny kodiarana ny lohany. Nitrangana loza namoizana aina tao Maha­main­tiomby, kaominina amba­­­nivohitra Belanitra, di­sitrikan’ Anjo­rozobe, omaly ma­raina tamin’ny 8 ora. Sare­ty iray, nitatitra fasika, no nihavian’ny loza. Niaraka […]

Karate-“Inter Makawa” : Nahatratra 215 ny mpandray anjara

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Es­pace Queen Fanomezan­tsoa Ambohimangakely, ny fifaninanana “inter Makawa”, ta­ranja karate. Fifaninanana andiany faharoa, izay efa natomboka tamin’ny herintaona, ity fifaninanana ity. Nisy ny fitokanana ny Seiko No kai Kama nandritra izany, ankoatra ny fifaninanana sy seho Body karate izay nampiavaka ny hetsika. Natao […]

«Journée de l’UJSM» : Hatao ny 14 sy 21 marsa ho avy izao

Ao anatin’ny fandaharana­san-dRabenaivo Alain, filohan’ny Union des journalistes sportifs de Mada­gascr (UJSM), ny fandraisan’ ny mpanao gazety mikirakira ny fanatanjahantena anjara amin’ireo taranja misy eto Madagasikara. Nambarany fa misy ny fiaraha-miasa amin’ ireo ligy sy federasionina ka ampidirina ao anatin’ny fan­daharam-potoanan’izy ireo ny andro ho an’ny UJSM na “Journée de […]

Federasionina malagasin’ny tenisy: Lany ho filoha Andriantefihasina Hary Manohisoa

Vita omaly, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fivoriambe ara-potoana hifidianana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny tenisy. Hitondra izany mandritra ny efa-taona manaraka indray Andriantefihasina Hary Manohisoa. Nahazo filoha vaovao ny taranja tenisy. Voafidy hitondra sy hitantana ny Federasionina, mandritra ny efa-taona manaraka indray, Andriantefihasina Hary Ma­nohisoa. Nahazo vato 100 […]