Nanomboka ny fihaonany amin’ny vahoaka hatramin’ny niverenany an-tanindrazana ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery. Anisan’ny nisantarany izany ny any Faratsiho, distrika nataony fitaratra nanaovana tetikasa maharitra tamin’ny fotoam-pitondrany saingy tsy notohizan’ny mpitondra aty aoriana izany. Eo ny nanamboarana ny lalana sy ny hopitaly any an-toerana. “Tonga aho hitondra fanantenana sy […]
Other News
Fizakana zom-pirenena vahiny : mangataka fampiatoana ny filohan’ny Repoblika ny APM
Tsy mbola nifarana hatreo. Naneho ny heviny momba ny fizakana zom-pirenena vahiny ny eo anivon’ny Antoko politika madio (APM). Nitodika amin’ny Antenimierampirenena izy ireo ny amin’izany. “Angatahinay amin’ ny filohan’ny Antenimierampirenena mba hiampanga ny filohan’ny Repoblika ka hanatanteraka latsa-bato miaraka amin’ireo solombavambahoaka amin’izany, ary handefa azy hotsaraina eny amin’ny Fitsarana […]
Avy namonjy alim-pandihizana : tovovavy iray hita faty nihantona tao an-tranony
Hatairana ny an’ity renim-pianakaviana iray nahita an-janany maty nihantona tao an-trano, ao amin’ny fokontany Antanambaobe, kaominina ambanivohitr’i Vohilava, distrikan’i Mananjary, afakomaly. Tsy fantatra mazava izay zava-niseho ka nitarika ny famonon-tena. Mbola tsy manam-bady izy. Araka ny fanazavan-dreniny nahita ny zava-nitranga tao an-tranony, nisy alim-pandihizana tao an-tanàna, namonjy izany ny zanany. […]
Mihaingo ambony tsikoko !
Amin’ny ankapobeny, nanakoako ery ilay fanokafana indray ilay Rovan’i Madagasikara. Nanohina kely ny fo ny fahitana fa tafarina ilay izy 28 taona aty aoriana. Mirehareha tsy misy toa azy ny fitondram-panjakana fa nahatanteraka Velirano iray hafa. Iza tokoa moa no tsy nahare fa fanamby nataon’ny filohan’ny Repoblika ny fanarenana ny […]
Tandrevaky ny resevera: niantontan’ny taxi-be, maty i Johnny kely
Namoy ny ainy voatsindrin’ny taxi-be i Johnny, 10 taona. Tompon’antoka ny resevera iray, nangalatra nitondra ilay fiara ka nivarina tany an-tanànan’olona. Maty tsy tra-drano i Johnny kely, zazalahy vao 10 taona. Notsindrin’ny taxi-be iray, nivoaka ny arabe ka nivarina tany amin’ny tsenakelin’olona avy teo amin’ilay zaza. Teny Andrainarivo, no nisehoan’izany […]






