Taorian’ny dia natao tany La Réunion, ny febroary 2023 teo, noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana tao amin’ny birao fiasany, etsy Anosy, ny filohan’ny Région Réunion, i Huguette Bello, omaly. Nohamafisiny ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, toy ny lafiny tontolo iainana, izay hametrahana vina, hamboly hazo 1 000 000 amin’ny taona 2024. Eo […]
Other News
Tetikasa F4F: Ampivadiana ny fambolen-kazo sy ny voly
Miasa any amin’ny faritra roa, Diana sy Boeny, ny tetikasa « Global Forest for Future» (F4F). Manohana azy ara-bola ny minisitera alemà ho an’ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny fampandrosoana, amin’ny alalan’ny Fiaraha-miasa alemà ho an’ny fampandrosoana (GIZ). Tanjona ny hamerenana amin’ny laoniny ny tontolo manodidina sy ny ala (RPF). Miara-miombon’antoka manatanteraka […]
Tontolon’ny fitsarana : nametraka paikady ny minisitera
“Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fandraharahana eo anivon’ny fitsarana ny fametrahana tomponandraikitra vaovao. Anisan’ny paikady hanatrarana ny tanjona izany”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, ny herinandro teo, tany Ambatondrazaka. Nambarany fa hanamafisana izany ny fanamboarana ny fitantanana ny mpiasa, tahaka ny an’ny sehatrasam-panjakana rehetra hitondrana fanavaozana. Misy […]
Fanaraha-maso lisitra mpifidy : tsy tokony hiandrasana fotoana farany
“Dieny izao, raha vao tonga eny amin’ny fokontany izay lisitry ny mpifidy ka mametraka petadrindrina fanentanana ny olompirenena hanara-maso ny fokontany: mila mijery haingana an’izay ny rehetra mba hahazoana miantoka ny fanarenana. Indraindray, miandry fotoana farany ny maro… ” Io ny nambaran’ ny mpampakateny, Andriamarotafika Soava, momba ny famaranana ny […]
Rabary Paul : “Tsy ny fizakana zom-pirenena hafa no olana”
“Ny adihevitra dia ny filozofia itondrana ny firenena amin’izay manana zom-pirenena hafa: tombontsoan’iza no iadiana raha mitondra firenena?”, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul, manoloan’ny adihevitra amin’ izao momba ny fizakan’ny filohan’ny Repoblika zom-pirenena frantsay ka hoe tsy hahazoany mirotsa-kofidina intsony, araka ny fijerin’ny sasany. Ny fanontaniana raha manana zom-pirenena […]






