Nivoaka tamin’ny fahanginany ny filohan’ny ligin’ Analamanga, taranja taekwondo, Rakotomanana Franck Tiana, taorian’ny fahavitan’ny fiadiana ny amboaran’ny masoivohon’i Korea, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Tsy nitsitsy fitenenana ny tenany namaky ny vay maharary ity haiady ity. Naneho ny fahagagany izy ny amin’ny tsy nampiasana ny “passeport” sy ny […]
Other News
Can 2023 : nantsoina hanolo an’i Njiva i Carolus
Afaka dimy andro, hifandona amin’ny Black Star Ghana ny Barea de Madagascar. Lalao miverina amin’ny fifanintsanana Can 2023, ny 18 jona ho avy izao. Araka ny vaovao navoakan’ ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, i Carolus, lohalaharana Barea, no manolo ny toeran’i Njiva. Fanomanana taratasy fifanarahana amin’ilay kliobany vaovao […]
Baolina kitra : vaky ny ady eo amin’ny Uficasm sy ny federasiona (FMF)
Tonga amin’ny tsontsorimamba isarahana, ankehitriny, ny Uficasm sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Vaky noho ny resa-bola ny ady. Tsy takona afenina intsony ny disadisa misy eo amin’ny fikambanana Uficasm, mikarakara ny Barea U23 sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Mifanasa vangy amin’ny tambajotran-tserasera ny roa tonta. Ny […]
Notrongisin’ny moto : lehilahy nandeha bisikileta maty
Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tao Toamasina II, omaly maraina , tamin’ny 10 ora, amin’ny lalam-paritany avy eo Ivoloina mampifandray ny kaominina maro hatrany Mangabe. Tsy mifanalavitra ny tetezana iray vao vita no nitranga ny loza. Raha ny angom-baovao voaray avy any an-toerana, raim-pianakaviana nandeha bisikileta no notrongisin’ny moto ka maty […]
Mananara Avaratra : tsy faly amin’ny sefo distrika ireo olon-kendry
Tezitra ary naneho ny alahelony ny vondron’ireo olon-kendry ao Mananara Avaratra, ny herinandro teo. Anisan’ny tsy nahafaly azy ireo ny fihetsiky ny sefo distrika, Rabotohavana Florent. Nambaran’ireo mpitondra fivavahana sy ny nentin-drazana, miaraka amin’ny mpandraharaha any an-toerana fa tsy nomena hasina sy haja izy ireo tamin’ny fandraisana ny filohan’ny Repoblika […]






