Tezitra ary naneho ny alahelony ny vondron’ireo olon-kendry ao Mananara Avaratra, ny herinandro teo. Anisan’ny tsy nahafaly azy ireo ny fihetsiky ny sefo distrika, Rabotohavana Florent. Nambaran’ireo mpitondra fivavahana sy ny nentin-drazana, miaraka amin’ny mpandraharaha any an-toerana fa tsy nomena hasina sy haja izy ireo tamin’ny fandraisana ny filohan’ny Repoblika […]
Other News
Lehiben’ny FMI : nankasitraka ny Groupe Filatex
Nitsidika ny « zone Franche industrielle » naorin’ny Groupe Filatex eny Ankadimbahoaka ny lehiben’ny FMI eto Madagasikara, Mokhtar Benlamine, ny alarobia lasa teo. Nankasitraka ny kalitao sy ny fanajana ireo fenitra izy na eo amin’ny asa ataon’ireo mpiasa na eo amin’ny fanorenana ny toeram-piasana izany. Toy izany koa eo amin’ny asa ataon’izy […]
Fandehanana misotro ronono : Isaorana eny Soamandrakizay ny Mgr Razanakolona
Fahasoavana mitohy ny an’ny diosezin’Antananarivo. Hifanesy ny Sorona Masina fisaorana an’Andriamanitra ho an’ny eo anivon’ny fiangonana katolika. Hotanterahina ny alahady 9 jolay izao, eny Soamandrakizay ny fankasitrahana ny arseveka, ny Mgr Razanakolona Odon, taorian’ny naneken’ny papa Fransoà ny handehanany hisotro ronono. “Fotoana io hisaorana an’Andriamanitra sy iderana azy noho ny […]
Morontsiraka andrefana : ahitana ala honko midadasika indrindra
Faharoa i Madagasikara aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ahitana ala honko (mangroves) midadasika indrindra, izay mahatratra 277.567 ha. « Ilàna paikady maharitra ny fiarovana azy, indrindra any amin’ny faritra Menabe sy Diana », araka ny tatitry ny WWF. Miha rava anefa ny ala honko any amin’ny morontsiraka andrefana. Karazan-kazo sady afaka mitroka rivotra […]
Fiakaran’ny hafanàna : ny ataon’ny olombelona ihany
Tsy mety tapitra ny andro ratsy, indrindra ny rivodoza mateti-pihavy isan-taona, ohatra, Batsirai, Cheneso, Freddy. Misy fiantraikany ratsy maro amin’ny morontsiraka izany. Anisan’ny fahavoazana mitohy lavareny ny haintany any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Tsy ampy ny orana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Haintany maharitra ela indrindra tao anatin’ny 40 taona, nanomboka […]






