Other News

Faritra arovana Masoala : 100.000 dolara ho an’ny Medd

Notoloran’ny filohan’ny valanjavaboahary Zoo de Zurich any Soisa, taratasim-bola 100.000 dolara ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Entina hanamafisana ny fitantanana ny Fa­ri­tra arovana (AP) any Ma­so­ala io vola io. No­ma­rihina ny 9 jona 2023 teo, ny faha-20 taona ny nananganana ny valan-javaboahary Masoala Kely any Soisa, […]

Delestazy : tonga ny solika mavesatra

Efa eny Ambohimanam­bola ary azo ampiasaina ny solika mavesatra avy any Toamasina. Tanteraka izany taorian’ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Jirama sy ny orinasa LPSA ary ny mpitatitra solika. Mbola mitohy ny fitaterana ireo solika mavesatra avy any Toamasina, ka hanomboka hiverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famokarana sy ny famatsiana herinaratra […]

Fambolena potiky ny havandra : fanampiana ho an’ny tantsaha any Manandriana sy Fiaferana

Nidina tany Manandriana sy Fiaferana Avaradrano, ny sabotsy 10 jona teo, ny filohan’ny Antenimierandolona sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny tale jeneralin’ny orinasa STOI. Nitondra fanampiana izy ireo ho an’ny tantsaha tra-pahavoazana vokatry ny havandra farany teo. Nitaraina ny tantsaha any Manandriana sy Fiaferana fa potiky […]

Basikety N1B (L) : niady ny fihaonan’ny AS Victoire sy Akbb

Niditra tamin’ny andro faharoa, omaly, any Mo­ron­­dava, ny fifaninanana nasionaly N1B Lehilahy, taranja basikety. Azo la­zaina ho mifandanja tsara avokoa ireo ekipa mpifaninana rehetra nandritra izay roa andro izay. Fi­haonana tena niady ary nampitsanga-mitoetra ny mpijery, ny lalao teo amin’ny As Victoire Boeny sy ny AKBB Analamanga, izay nisaraka tamin’ny […]

Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023): naverina ny tae-kwon-do sy ny kick-boxing

Araka ny lahatsoratra nivoaka tamin’ny gazety Week-end, omaly alahady, tatsy La Réunion, averina ho anisan’ireo taranja hifaninanana ny Tae-kwon-do sy ny kick-boxing. Nisy ny fanerena nataon’ireo firenena mpikambana, ka nahatonga ny komity iraisam-pirenen’ny lalao (CIJ), niverina tamin’ny fanapahan-keviny. Raha tsiahivina, nahena ho 12 ny isan’ireo taranja hiadiana medaly volamena, amin’ity […]