Other News

Lalam-pirenena fahadimy: kamiao mpitondra entana nihitsoka tao ambany tetezana

Anisan’ny mampihitsoka ny fandrosoana eto Madagasikara ny fahapotehan’ny lalam- pirenena. Afakomaly, kamiobe mpitatra entana nihitsoka teo amin’ny tetezana, lalam- pirenena fahadimy tapany voalohany. Potika ny lalam-pirenena fahadimy tapany voalohany, mampifandray an’i Toamasina sy Am­batohasina, mialoha ny hidirana an’Antaratasy, Pk 35. Fiarabe mpitatitra entam-barotra iray no nihitsoka teo amin’ny tetezam-by nandritra […]

Ankadifotsy: jiolahy tratra teo am-pamakiana lakozia

Tsy mifidy intsony ny jiolahy! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro, teny Anka­difotsy, omaly maraina tamin’ny 9 ora sy 30 mn, ny jiolahy raindahiny amin’ny vaky trano. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra miharo vaky trano izy. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, nihanika tambohon’olona iray eny […]

Tanjombato : vehivavy mpivarotra rongony tratra

Noraisim-potsiny ny vehivavy iray mpivarotra zava-mahadomelina teny Tanjom­bato, afakomaly. Naharay fitarainana tamin’ny tsara sitrapo, nanao fanadihadiana ary nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny polisy. Tratra tao Ankady Tanjombato io vehivavy io. Natao ny fisavana, sarona tao aminy ny rongony 275 fonosana. Mahalafo 15 hatramin’ny 20 isan’andro izy, raha ny nambarany. […]

«Fiba World Cup U19»: hisy manam-pahaizana hitily mpilalao

Hiatrika ny lalao maneran-tany amin’ny taranja basikety “Fiba World Cup U-19”, izay hatao any Debrecen, ny 24 jona- 2 jolay ho avy izao, ny Ankoay lahy. Araka ny fanadihadiana natao, hisy mpitily matihanina “agents recruteurs” hijery amin’io fotoana io. Araka ny filazan’Andriantsarafara Lovasoa, kapitenin’ny An­koay, fotoana fanararaotana hampisehoana ny talenta […]

Tenisy – “Billie Jean King Cup” : tsara fanombohana ny ekipa malagasy

Nahazo fahombiazana avy hatrany ny ekipam-pirenena malagasy. Resin’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1, ny ekipan’i Cameroun, nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanana “Billie Jean King Cup”, atao any Kigali, ny 5-10 jona izao. Marihina fa fifanintsanana isaky ny ekipa ny “Billie Jean King Cup”. Araka ny voka-dalao, ny alatsinainy […]