Other News

Rugby – “XXL Top 20” : tsy nahatohitra ny Uscar ny USA Ankadifotsy

Nitohy, omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahefatra sady farany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja rugby “XXL Top 20”. Nandresy avokoa ireo ekipa goavana. An­isan’izany, ny kaominina Antananarivo renivohitra Us­car, nandavo ny USA Ankadifotsy, tamin’ny isa mazava. 53 no ho 16. Tsy nahatohitra […]

Basket-ball—”World Cup U19″: hanatevin-daharana ny Ankoay i Léon Emmanuel sy i Thesbon Syney

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, ny lisitry ny mpilalao 12 mandrafitra ny Ankoay, hiatrika ny “World Cup U19”. Ankoatra ny mpilalao avy eto an-toerana, hisy avy any Frantsa hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy. Araka ny hita ao anaty lisitra, hanatevin-daharana ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay de Madagascar, taranja basikety […]

Miss Maman 2023 : voalohany i Zafindrasoa Elisoa

Tontosa ny 3 jona 2023, teny amin’ny Residences Andrianirina Ivato, ny dingana famaranana tamin’ny fifaninanana «Miss Maman Ma­da­gascar 2023», andiany Mamiratra. Fifaninanana na­ne­hoan’ireo reny ny fahaizany sy ny hatsarany. Zafindrasoa Elisoa Murelle no nahazo ny laharana voalohany tamin’ity andiany ity. Fahalalana ankapobeny sy tetikasa no nen­tin’ireo mpandray anjara 24 mirahavavy […]

Tsiahy an’i Mamy : ao am-pon’ny olona hatrany ny tarika MR Razafy

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taona an-tsehatra ho an’ny tarika MR Razafy ny nanatanterahina ny fampisehoana «Tsiahy ho an’i Mamy». Seho an-tsehatra notontosaina, omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Voaporofo fa ao am-pon’ny olona hatrany ny tarika MR Razafy sy ny sanganasan’izy ireo na tsy niakatra sehatra tao anatin’ny fotoana […]

Fi.Mpi.Ma – VID Stavanger : voatahiry any Norvezy ny momba ny kabary

Nandritra ny «Sahobin’ny mpikabary» notanterahin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma), omaly, tao amin’ ny Carlton Madagascar, etsy Anosy, no nanasongadinan’ Andriamboavonjy Hanitrini­ai­na, filohan’ity fikambanana ity ireo dingana lehibe tontosa tao anatin’ny volana vitsivitsy sy ireo mbola hotanterahina atsy aoriana. Anisan’ny lehibe indrindra tamin’izany ny fifanekem-piaraha-misa eo amin’ ny Fi.Mpi.Ma sy […]