Other News

Njakatiana sy Bodo: niavaka ny fetin’ny reny tao Antsahamanitra

Tsy niova tamin’ny nahafantarana ny tarika roa tonta hatramin’izay fa nanome seho nahafinaritra ho an’ny mpankafy i Njakatiana sy i Bodo. Nahazo tombony manokana ny reny tamin’ny fihirana hira ho an’ny reny niarahan’ny mpahay kanto roa tonta nanao. Tontosa omaly alahady 4 jona 2023, tao Antsa­ha­manitra ny fampisehoana “Amboaran-kira ho […]

TIM tany Mahajanga : nitaky fahalalahana

Nampahatsiahy ireo mpitandro filaminana ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravaloma­nana Marc tao Mahajanga, fa mety ho nahazo fampanantenana tambiny sy galona ireo Emmo/Reg. Nanteriny anefa fa manana ankohonana sy fianakaviana mijaly sy sahirana koa izy ireo ka tokony handinika. “Aza atakalo tombontsoa kely tahaka izany ny fiainan’ny firenena sy ny fahafahana. […]

Toe-draharaham-pirenena : manahy korontana ny UNND

“Ny zava-misy eo amin’ny sehatra politika, ny fiainana sosialin’ny vahoaka, ny tsy fisian’ny fahatokisana intsony ao amin’ny vahoaka sy ireo andrimpanjakana sy ny sampandraharaham-panjakana misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana… Indray andro any, atahorana sao hipoaka ireo toe-javatra ireo mitambatra”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko UNDD, i […]

Depiote Siteny : matahotra antsika ny fitondrana

Nahitsy ny depiote Ran­drianasoloniaiko Siteny tany Nosy Be, tamin’ny Mihava Tour tany an-toerana, ny sa­botsy teo. “Matahotra antsika ny fitondrana matoa tsy mbola sahy mamoaka ny datim-pifidianana hatramin’izao”, hoy izy. Nanteriny hatrany fa ilaina ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana, manoloana ny vidin’ny Ylang ylang any an-toerana. Hamidy 500 Ar ny […]