Other News

Madagasikara 30 – 10 Cameroun : manam-panantenana hiatrika Mondial indray ny XV Makis Ladies

Mbola azo lazaina fa mbola ao anatin’ireo ekipam-pirenena haka ny tapakila handraisana anjara amin’ny “World Cup” indray ny XV Makis Ladies. Resin’izy ireo tamin’ny isa 30 no ho 10 ny Lionan’i Cameroun. Mbola velombolo hiatrika ny “World Cup Rugby”, ny ekipam-pirenena malagasy XV Makis Ladies, amin’ity fifaninanana “Rugby Africa Women’s […]

Fiatrehana fifidianana : Ranolava ny fijoroan’ireo fikambanana

Efa mametrapetraka ny paikady politika mialoha sahady ireo etamazaoro politika any amin’ny faritra Atsi­nanana. Nampahafantatra ny fijoroany ireo fikambanana telo samy hafa, eto Toamasina tao anatin’ny herinandro, amin’izao hiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Araka izany, notsofin-drano ny 14 mey, tamin’ny alalan’ny fomban-drazana ny vovonana “Plate-forme Ndao kea”. Ivondronan’ireo fikambanana […]

Tatitry ny praiminisitra teny Tsimbazaza : nampiakarina ny tambin-karaman’ny sefo fokontany

Anisan’ny tafiditra tao anatin’ny tatitra nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian teny Tsimbazaza, nanoloana ireo depiote, ny momba ny fi­tantanana eny ifotony. Ani­san’izany ny fampiakarana ny tambin-karaman’ny sefo fo­kontany ho 60.000 Ar raha 20.000 Ar ho an’ny lefiny. Mitohy hatrany koa ny famatsiam-bola ho an’ny faritra mba hanatanterahana fotodrafitrasa ka mitentina 2 […]

Fepetra momba ny lavanila : manahy fitaka ny depiote Siteny

Niverina tany Sambava indray, iray volana aty aoriana, ny Mihava Tour, ahitana ireo depiote maromaro, tarihin-dRandrianasoloniaiko Siteny, afakomaly. “Tsy maintsy harahi-maso ny fizotry ny fanapahan-kevitry ny fanjakana satria ahitana fitaka. Antony iverenanay aty izany”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy azo ekena ny fanambakana ny tantsaha, manoloana ireo fepetra noraisin’ny fanjakana […]

Fomba fiasa : nohelohin’ny MMM ny tsy fangaraharan’ny Ceni

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, omaly. Nohitsin’izy ireo ta­min’izany ny tsy fahitan’izy ireo taratra ny finiavan’ny Ceni amin’ny fanatanterahana ny asany amin-kitsim-po sy am-pahamarinana. “Helohinay ny fiziriziriana amin’ny fomba fiasa tsy mangarahara sy ny tsy fanajana lalàna mandritra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Tsy misokatra […]