Anisan’ny tafiditra tao anatin’ny tatitra nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian teny Tsimbazaza, nanoloana ireo depiote, ny momba ny fitantanana eny ifotony. Anisan’izany ny fampiakarana ny tambin-karaman’ny sefo fokontany ho 60.000 Ar raha 20.000 Ar ho an’ny lefiny. Mitohy hatrany koa ny famatsiam-bola ho an’ny faritra mba hanatanterahana fotodrafitrasa ka mitentina 2 miliara Ar isan-taona izany ho an’ny faritra tsirairay. Eo koa ny fanampiana vola ho fampandehanan-draharaha ka nakarina ho 420 tapitrisa Ar isaky ny faritra izany tamin’ny taona 2022. “Nampitomboina avo roa heny izany raha oharina tamin’ny teo aloha”, hoy izy. Manampy izany ny fanampiana eo amin’ny vola sy ny fanohanana teknika momba ireo kaominina miisa 1.695. Mitentina 30 tapitrisa Ar avy izany.
Notsiahiviny fa laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fitantanana ny firaketana ny sora-piankohonana ka teo ny fitaovana sy milina momba ny asa vaventy nomena ireo faritra 23. Eo koa ny famatsiam-bola isaky ny distrika, amin’ny alalan’ny Ciad ka samy mahazo 250 tapitrisa Ar isaky ny depiote ny tetibola natokana ho amin’izany.
Eo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fitsarana momba ny didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana ka 518.004 ireo nisitraka izany ary ny famoahana karapanondrom-pirenena kosa, miisa 1.474.917 ireo olom-pirenena nahazo izany.
Tsiahivina fa niadian’ireo depiote hevitra ny tokony hanaovana adihevitra aorian’ny tatitry ny praiminisitra. Niafara amin’ny hanaovana izany amin’ny fotoana hafa anefa izany ka nirosoana ny fitaterana ny asa momba ny politika ankapobeny ho an’ny fanjakana.
Synèse R.




