Fiatrehana fifidianana : Ranolava ny fijoroan’ireo fikambanana

Efa mametrapetraka ny paikady politika mialoha sahady ireo etamazaoro politika any amin’ny faritra Atsi­nanana. Nampahafantatra ny fijoroany ireo fikambanana telo samy hafa, eto Toamasina tao anatin’ny herinandro, amin’izao hiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Araka izany, notsofin-drano ny 14 mey, tamin’ny alalan’ny fomban-drazana ny vovonana “Plate-forme Ndao kea”. Ivondronan’ireo fikambanana zanaka am-pielezana avy
amin’ny tapany atsimon’ny Nosy iny ary tarihin’i Monja Bernardel na i “Monja Vy”. Zanaky ny faritra Atsimo koa no filohan’ny “Association Jamais Mort”, amin’ny ala­lan’i Masondahy Landry, nampahafantatra ny fitsanganany ny 21 mey teo. Mbola androtr’io ihany koa ny fa­nambarana ny fijoroan’ny “Perfect Madagascar”, tarihin-dRa­naivojaona Syvia.

Mety ho kandidà filoham-pirenena

Avy any Fianarantsoa kosa izy ary maro anisa mandrafitra ny fikambanana ny avy any amin’iny faritany iny sy ny avy amin’ny finoana katolika. Efa nanomboka heno tamin’ny tsilian-tsofina sy ny loharanom-baovao fa anisan’ireo miomana ho kandidà filoham-pirenena ny mpitarika io fikambanana io ary hotohanan’ny “Asso­ciation Jamais Mort” izy amin’izany. Mirona ho any amin’ny fanohanana ny de­piote Randrianasoloniaiko Siteny kosa ry Monja Vy sy ny ekipany raha ny heno tamin’izao fananganana ny fikambanana izao.

Sajo sy i Synèse R.

Partager sur: