Other News

Haitao ara-kajy mirindra : fanoitra tsy azo ihodivirana amin’ny fampandrosoana

Nisokatra, tamin’ny fom­ba ofisialy, omaly, etsy amin’ ny Novotel Alarobia, ny fikaonan-doha momba ny fanovana sy ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra eto Afrika «Assises de la Transformation digitale en Afrique» (ATDA), andiany faha-12. Maharitra roa andro ny hetsika, hanomezana sehatra ireo mpikaroka iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny haitao ara-kajy […]

Misy ny tsirim-panantenana

Maresaka indray ny tanàna eto an-drenivohitra. Mampi­an­trano vahiny manan-kaja maro i Madagasikara tamin’ity herinandro ity. Mahoraka ny hetsika goavana momba ny hai­kajy mirindra. Firenena afrikanina maro no nahatonga solon­tena. Tsy ambakan’izany ny lalaon’ny Nosy. Efa eto Madaga­si­kara, manao fanadihadiana farany ny vaomiera miandraikitra izany aty amin’ny Ranomasimbe Indianina. Iaraha-mahita fa […]

Nirefodrefotra ny basy…: maty voatifitry ny polisy i Tojokely sy i Paul

Lavon’ny balan’ny polisy, nandritra ny fifandonana, omaly, tao an-tanànan’An­tsi­rabe i Tojokely sy i Paul. Jiolahy malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao an-drenivohitry ny faritra Vakinankaratra. Naharay an­tso avy amin’ny lasibatra ny polisin’ny UIR Antsirabe fa misy olona niharana fanendahana niampy vono. Nilaza ho nahita ireo jiolahy tompon’ antoka tamin’izany izy. […]

Nandratra olona : miaramila enina anaovana fanadihadiana

Miatrika fanadihadiana lalina eny amin’ny zandary misahana ny heloka bevava (Secres) Fiadanana, ireo miaramila enina tompon’antoka tamin’ilay fandratrana olona niampy daroka, teny Avara­doha. Enina ihany koa ireo mpitory amin’ity raharaha ity, araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny Secres. Efa nitondra fanazavana rahateo koa ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) manoloana ny […]