Other News

Sakafo andavanandro : tsy nahitana “formol” ireo hena notiliana

Nanao fitiliana ireo hena tany amina mpivaro-kena sa­mihafa eto an-drenivohitra ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka. Nilaza ny talen’ny rafitra mpanara-maso ara-pahasalamana ny hatsaran’ny sakafo (ACSQDA) eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka, ny dokotera Razafinarivo Andrianjaka, omaly, tetsy Ambohidahy fa tsy nahitana “formol” ireo hena natao fitiliana. Nifanotrona namoaka ny valin’ny fitiliana natao tamin’ireo singa nalaina teny […]

Harena an-kibon’ny tany : 2% ho an’ny CTD, 3% ho an’ny fanjakana

Nolanian’ny solombavambahoaka nasiam-panovana sy fanitsiana, omaly zoma 12 mey, ny volavolan-dalàna la­harana 005/2023, fanavaozana ny fehezan-dalàna momba ny harena an-kibon’ny tany. Misy lohateny 14 ahitana andininy 434 ity volavolan-dalàna ity, ka novaina ny andininy miisa 41, nahitsin’ny solombavambahoaka nandritra ny asam-baomiera sy ny fivoriambe. Anisan’ny niteraka ady hevitra ny fitsinjarana […]

Trophée du jeune entrepreneur : tanora roa nahazo fampindramam-bola 150 tapitrisa Ar

Fampidramam-bola mitentina 150.000Ar avy amin’ny BNI. Ity ny loka natolotra an’ireo tanora mpandraharaha miisa roa nahazo ny fifaninanana “Trophée du jeune entrepreneur” (TJE). Mandra­ha­raha eo amin’ny sehatra nomerika, Andriambololona Ranto. Nahazo fampindramam-bola 100 tapitrisa Ar avy amin’ny BNI izy, hoentiny hanohanany ny tetikasany. Le­lavola 50 tapitrisa Ar kosa ny loka […]

Rakoto David : « Mila safidy politika ny fampandrosoana ny harena an-kibon’ny tany »

Ankoatra ny velaran-tany azo ambolena, manana ny harena ambanin’ny tany tsy hita noanoa koa isika, izay tena ilain’ireo indostria vaventy iraisam-pirenena. Nitondra fanazavana ny mpahay toekarena Rakoto David. Midadasika i Madaga­si­kara, saingy tsy voatrandraky ny mponina araka ny tokony ho izy. Mana­zava ny mpampianatra mpikaroka toekarena, fitantanana, sosiolojia eny amin’ny […]

Jiolahy 4 voasambotra : efa mihantona eny amin’ny mpivaro-kena ny omby halatra

Nitaraina ho very sarety sy omby ny rangahy iray teny Sabotsy Namehana, afakomaly. Hitan’ny zandary mihantona eny an-tsenan’olona ny henan’ilay omby iray tamin’ireo very. Tonga nitaraina tao amin’ny biraon’ny zandary eny Sabotsy Namehana ny rangahy iray very omby sy sarety ary kitay, afakomaly. Nanara-dia avy hatrany ireo zandary any an-toerana […]