Other News

Sunref Madagascar: fanohanana tetikasa 30 mahery

Nanomboka ny janoary 2021 ny fandaharanasa Sunref Madagasikara. Tetikasa tohanan’ny Vondrona eoropeanina (UE) ara-bola, tanterahin’ny Antokondraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), mifantoka amin’ny lafiny angovo sy ny tontolo iainana. Tamin’ireo orinasa aman-jatony nanolotra ny tetikasany avy, maherin’ny 30 ny voasivana. Taorian’ny nijoroan’ny fandaharanasa Sunref Madagasikara, ny taona 2021, nampahafantarina ny jolay […]

Filoha teo aloha, Ravalomanana : “Tsy azo ekena ny hametrahana Tetezamita”

“Tsy azo ekena sy tsy ilaina ny fametrahana fitondrana tetezamita izany. Tsy hiray petsapetsa amin’izany isika. Mitaky ny hanaovana fifidianana madio sy mangarahara isika”, hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, tany Analanjirofo sy Atsinanana, ny herinandro teo. Nohenoiny tamin’ireo vahoaka amin’ny faritra nolalovany ny maharary azy ireo. Anisan’izany ny […]

Depiote Randrianasolo Nicolas : “Ilaina ny fifampidinihana”

“Inona no manakana ny fitondram-panjakana hiantso ny mpanohitra na ny FFKM hanao fifampidinihana? Tsy tokony hataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao an-tsainy ny hoe fizarana seza izay fifampiresahana izay”, hoy ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny GJMP, tany Betroka, Randria­nasolo Jean-Nicolas, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy sakanana avokoa ny mpanao […]

Fanazavan’ny Ceni sy ny minisiteran’ny Atitany : “Tsy voamarina ny fisian’ny fokontany matoatoa…”

Niteraka resabe tato ho ato ny momba ireo famoronana fokontany. Tsy misy akory ny resaka lisitra fanampiny, any atsimon’ny Nosy. Nanamafy ireo zanaky ny faritanin’i  To­liara ny herinandro teo fa tsy mitombina velively ny fila­zan’ireo mpanao politika sasany fa  faritra fanaovana  hala-bato ny any amin’iny faritra iny. Anisan’izany ny famoronana […]