Other News

Hamafisina ny fiarovana ny zaza malagasy : voarara tsy mahazo miditra eto i Dylan Thiry

Hohamafisina ny fiarovana ny zaza malagasy ka handray fepetra ny governemanta amin’ny tsy fahafahan’i Dy­lan Thiry miditra eto Madaga­sikara intsony. Nanao fanadihadiana avy hatrany ny polisy momba ny fivoahan’ilay hafatra niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera “facebook” mahakasika fanondranana zazakely ataona teratany vahiny iray antsoina hoe Dylan Thiry. Nanazava ny polisy fa raha ny lalàna […]

Teteza-miitatra !

Raha ny vaovao miely ankehitriny dia hisy indray ny tete­zamita. Asa, mety hisy hifandraisany amin’ny fitarazohan’ny fanomanana ny fifidianana angamba izany ? Ny zava-misy aloha dia mirona kokoa any amin’ilay fanemorana. Ny fanavaozana ny lisi-pifidiana aza mandrak’izao mbola tsy mety vita, noho ny antony samihafa, indrindra ny lafiny teknika sy ny […]

Hala-jaza : saika hamidy 2 800 000 Ar ny ankizy iray

Fahasahiana tsotr’izao! Nidoboka am-ponja eny Antanimora ireo mpivady sy ny rafozam-baviny niaraka tamin’ny dokotera voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fikasana hivarotra an-tsokosoko zazamenavava tamin’ny vazaha. Nokasaina hamidy 2 800 000 Ar ny iray amin’ireo zaza… Nidoboka am-ponja vonjimaika, eny Antani­mora, ireo olona efatra (mpivady, rafozam-bavy ary dokotera) voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ilay raharaha fikasana […]

Zava-mahadomelina : taksibrosy nahatrarana rongony 5 gony

Sarona tao amina fiara mpitatitr’olona, mampitohy an’Ambanja sy Mahajanga, ny rongony 150 kg, omaly. Nafe­nina tao anaty gony maromaro, nokasain’ny tompony hamidy any Mahajanga ireto entana ireto. Sendra ny mpitandro filaminana nanao fisavana teny amin’ny lalam-pirenena ny fiara nitatitra izany. Voasakana, tra-tehaka tao anaty taksibrosy ny gony mi­isa 5 feno […]