Fifandonana mahery vaika : Zandary iray maty voatifitra, dahalo telo lavo

Zandary iray nanara-dia dahalo no maty voatifitra taorian’ny fifanjevona tao Beraketa Sakaraha, omaly.

Nirefodrefotra ny basy tao Beraketa, kaominina sy distrikan’i Sakaraha faritra Atsimo Andrefana, omaly, tokony ho tamin’ny 03 maraina. Zandary iray, kilasy faharoa, isan’ireo nanara-dia dahalo no maty voatifitra rehefa avy nifandona mafy tamin’ireo malaso.

Nitrangana fanafihan-dahalo nirongo basy tao an-toerana. Omby anjatony no lasan’ny malaso. “Fokonolona iray maty voatifitra nandritra ny fanafihana”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana, misahana ny fanadihadiana.  Raikitra ny hazolava sy ny fanarahan-dia. Namonjy ny kizon’Andabomionga ao amin’ny distrikan’ i Sakaraha nandehanan’ireo olon-dratsy ny zandary niaraka tamin’ ireo fokonolona, tokony ho tamin’ny 04 ora sy sasany. Nitari-dalana tamin’izany ny kapiteny Zafinikamiha Junior, kaomadin’ny tobim-paritra Sakaraha sy ireo zanadary avy ao amin’ny GSI Sakaraha. Raikitra ny fifandonana teo Antsampanana manamorona ny reniranon’i Fiherena.

Nahery vaika ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Nandritra izay, fokonolona miisa telo ihany koa no naratra mafy, hoy hatrany ny fanazavana.  Tsy nanaiky lembenana ireo mpitandro filaminana. Vokany, dahalo miisa telo no lavo.  Taorian’izay, tafaverina tamin’ny tompony avokoa ireo omby an-jatony voaroba.  

Henintsoa Hani

Partager sur: