Misy ny sehatra ampiroboroboana ny sekoly manana tokotany sy zaridaina eto an-dRenivohitra. Ampiharina amina EPP maromaro, araka izany, ny tetikasa “Voly First Immo” hahazoana izany vokatra izany.
Notokanana teny amin’ ny EPP Imamba, ny zoma teo, ny tetikasa “Voly First Immo”, izay iarahana amin’ny Fondation Axian sy ny orinasa First Immo ary ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Zaridaina an-tsekoly entina hanampiana ny tohana ara- sakafon’ny mpianatra eny amin’ireo EPP tena misy ny ankizy zanaky ny sahirana ny tetikasa.
Naharitra herinandro maro ny fikarakarana ny zaridaina ho azo ampiasaina amin’ny famokarana karazana legioma sy voankazo amin’izao fahavaratra izao. Misitraka izany ny EPP Imamba, Betongolo, Andravoahangy Atsinanana, Antanimena I sy Antanjombe Avaratra.
Hatramin’ny taona 2021, miisa 27 ireo sekoly efa nanaovana ny tetikasa zaridaina an-tsekoly. Mitotaly 2.532 amin’izao fotoana ireo mpianatry ny EPP amin’ireo sekoly ireo hisitraka ny vokatra amin’izany fambolena atao izany. Olona 60 ao amin’ireo sekoly ireo kosa ny hiandraikitra ny fambolena sy ny fikarakarana ny famokarana rehetra mba hahalavorary ny ezaka atao.
Tanterahina amin’ny velaran-tany mirefy 660,5 m2 ny fambolena amin’ireo sekoly dimy anaovana ny tetikasa. Efa nioty ny ampaham-bokatra tamin’ireo zaridaina ny EPP sasany. Nahatratra 312,5 kg ny voly azo tamin’izany. Nahitana karazan’anana sy legioma maro karazana izay ara-pahasalamana avokoa.
Miantoka ny ampahany amin’ny sakafon’izy ireo any an-tsekoly izany. Ny sasany kosa amidy avadika ho vola hahafahana mampaharitra ny fikarakarana ny zaridaina.
Mikendry ny hampiakatra ny tahan’ny ankizy tamana any an-tsekoly ny fandaharanasa “Voly First Immo” amin’ny alalan’ny zaridaina an-tsekoly. Manentana ny ankizy sy ny mpampianatra ho tomponandraikitra amin’ny fambolena hatao ihany koa.
Tatiana A