Mbola misy ireo traboina sahirana noho ilay fisian’ny ranobe sy fahavakisan’ny fefiloha teto Antananarivo. Tonga nanolotra fanampiana ho azy ireo ny “Association armée du salut “niaraka tamin’ny BNGRC. Nahitana vary, voamaina, menaka, savony, bodofotsy ary “serviettes hygiéniques” ho an’ny vehivavy izany. Nisy ireo masontsivana napetraka ho an’ireo olona nisitraka ny fanampiana. Kaominina efatra no nahazo ny tohana dia Ampitatafika, Anosizato Andrefana, Ambohijanaka ary Sabotsy Namehana, ho an’ny fianakaviana 334.
Nisy ny atrikasa fankatoavana ny valin’ny fanadihadiana amin’ny « diagnostic de la chaîne des ressources éducatives » natrehin’ireo tale eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ireo teknisianina ary mpiara-miombon’antoka Unesco Dakar, tamin’ity herinandro ity, teto Antananarivo. Tanjona ny hampifanarahana ny fitaovana toy ny boky amin’ny fandaharam-pibeazana sy amin’ny isan’ny mpianatra (mpianatra 1, boky 1) hitondra vokatra tsara sy hampitombo ny lentam-pahaizan’izy ireo ny fampiasana izany.
Fandaharam-panabeazana iray mamintina ireo fandraisana andraikitra rehetra ho an’ny tontolo iainana ny C4C. Manabe sy mikolokolo ireo mpikambana hiaina fiovam-pihetsika amin’ny andavanandro ary koa hanentana ny manodidina azy. Ohatra amin’ireo toetra amam-pihetsika voizina ny tsy fampiasana fonosana plastika, mamboly hazo, sns…
Voarara ho an’ny fiantsonan’ny fiara rehetra tsy ankanavaka ny lalana Rainitsarovy miakatra an’ Antsahamanitra hatreo amin’ny trano Printy Loteranina Malagasy, araka ny fandaminana nataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.




