Ankohonana marefo miisa 71 000, ao amin’ny distrika 11, no hisitraka indray ny tetikasa « Asa Avotra Mirindra » izay nanomboka ny taona 2024 hatramin’ny taona 2027.
Fandaharanasa fiahiana mpiara-belona an’ny governemanta malagasy, ao anatin’ny tetikasa «Haratonaina», mikendry ny fanatsarana famokarana ity tetikasa ity.
Fanofanana sy asa tanamaro ho an’ireo vondrom-piarahamonina tena sahirana no hatao. Tanjona ny hanatsarana ny tontolo manodidina sy ny famokarana eny ifotony. Mitsinjo ihany koa ny foto-karena maha olona sy ny tontolo iainana.
Hofanina mahakasika ny teknikam-pambolena nohavaozina ihany koa ny olona eny ambanivohitra. Asa mamokatra sy mitsinjo ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanajariana ny tany. Mifototra amin’ny tantsoroka fampivoarana manatsara amin’ny fomba maharitra ny fiainam-pianakaviana, ny fihariana ary mitondra ho amin’ny fahavitan-tena sy fiovam-pihetsika miabo.
Famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena, ao anatin’ny tetikasa Haratonaina, ny Asa Avotra Mirindra.
Tatiana A




