Mois : novembre 2022

Depiote Andriamampandry Todisoa: “Tsy mitsinjo ny sosialim-bahoaka ny tetibola”

“Tsy manaraka ny laharam-pahamehana amin’ny vahoaka ny tetibolam-panjakana, 2023, ary tsy nanaraka lalàna”, hoy ny depiote Tim, Andriamampandry Todisoa, teny Tsimbazaza, afakomaly. Talohan’ny 30 oktobra teo no tokony ho nizarana izany ho an’ny depiote. Vao dimy andro ny nanomezana izany. Tsy araka ny lalàna izany. Tsy voafehy ny vidim-piainana. Hita […]

Raharaha Ketakandriana- GEL: mitsipaka ny kolikoly ny sehatra iraisam-pirenena

Tohivakana ny fanehoana firaisankina. Namoaka fanambarana avokoa ny avy eto an-toerana sy ny iraisam-pirenena. Anton’izany ny tokony ho niakaran-dRafitison Ketakan­driana teny amin’ny fampanoavana, omaly. Anisan’ny nanao izany ny masoivohon’i Etazonia naneho ny fanohanany ny vahoaka sy ny governemanta ary ny fiarahamonim-pirenena, indrindra eo amin’ny ady amin’ny kolikoly. “Toherinay marindrano kosa […]

Ntsay Christian: “Aoka tsy hizarazara ianareo mpitandro filaminana”

Nosokafana, omaly tao Antsirabe, Vakinankaratra, ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny faritra, andiany fahefatra. Nanokatra izany ny Praiminisitra, Ntsay Christian. Nisy hafatra sy antso nataony tamin’ny famoriana ireo eo anivon’ny OMC. «Ilaina ny fampandehanana ny raharaham-panjakana araka ny tokony ho izy sy ny fanatsarana ny lafiny fandriam-pahalemana… Aoka ny mpitandro ny […]

CUA: nihaona tamin’ireo solontenan’ny mpivarotra

Nihaona tamin’ny kaominina Antananarivo Reni­vo­hitra ireo mpivarotra avy ao amin’ny pavillon Anala­kely, omaly, teny amin’ny tranompokonolona Anala­kely. Nota­rihan’ny solontenan’ny ben’ny Tanànan’An­tananarivo Renivohitra sy ny filohan’ny fikambanan’ny mpivarotra pavillon Anala­kely izany. Famahana ny disadisa misy eo amin’ny samy mpivarotra eny an-toerana no anton’ny fihaonana. “Misy ny tsy mankasitraka ny birao mitantana […]

Indraim-bava: Tsindry !

Vaovao nafana, niteraka resabe sy fanehoan-kevitra maro ny mikasika ilay fitoriana an-dRatoa Ketakandriana Rafitoson sy Atoa Dominique Rakotomalala, samy tomponandraikitra ao amin’ny fikambanana Transparency International Initia­tive Madagascar. Izay fototry ny disadisa nisy teo amin’izy ireo sy ny mpitory tsy hidirana lalina intsony, satria efa be ny voalaza. Tsy azo hodiana […]