Zazavavy 12 taona nanjavona : Mpianatry ny EPP hita faty voatsindrona antsy

Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny ankizivavy 12 taona, tany Masindray Atsinanana, kaominina Fihaonana. Nandeha ianatra izy ny talata maraina, hita faty voatsindrona antsy teo amin’ny tendany ny ampitso atoandro.

Hita faty tao Antamponi­tsara, fokontany Ma­sindray Atsinanana, kao­minina Ambanivohitra Fi­hao­nana, distrikan’Ankazo­be, ny alarobia 10 jona 2026, ny ankizivavy 12 taona antsoina hoe: Fiderana Finiavana. Olona nan­dalo maraina teny an-toerana no nahatsikaritra ny zava-nisy. Nampandre ny sefo fo­kon­tany sy ny kaomandin’ny Tobim-paritra Fihaona­na izy.
Nidina ifotony, nanao ny fanadihadiana avy hatrany izy ireo sy ny mpitsabo.
Somary natao tao ambany rantsankazo madinika ny ra­zana mba tsy hisy hahatsikaritra. Efa voahitsakitsaka ny toerana manodidina. Ahina ho novonoin’olona ilay zazavavy, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo avy ao amin’ny CSB II Fihaonana. Nahitana tataka lehibe sy lalina miisa roa teo amin’ny tendany. Tombanana ho notsindromina tamin’ny antsy. Nahitana ra betsaka nanodidina ny razana.
Nandeha nianatra tao amin’ny EPP Atambohobe izy ny talata. Tokony ho nirava tamin’ ny 12 ora sy 30 minitra atoandro izy nefa tsy niverina nody intsony, raha ny fanazavana voaray. Nanomboka ny fikarohana azy nefa tsy nahitam-bo­kany raha tsy ny ampitso. Ha­treto, tsy mbola misy ny ahiahiana sy ny antony namonoana azy.

Vehivavy nafatotra
Ankoatra ity fatin-jazavavy ity, tovovavy 23 taona koa hita faty voatsindron’antsy tany Ambohimarina, fokontany Ma­rokobobo, kaominina Manjaka Avaradrano, afakomaly. Na­tsipy sy nafenina tao anaty hadivory ny razana. Olona namonjy fodiana avy nisoroka fako no nahita zavatra hafahafa ka nampandre ny mponina.
Tonga nanao ny fanadihadiana ny zandary avy amin’ny zana-tobim-paritra Meriman­droso. Nafatotra tongotra sy tanana avy any an-damosina ilay lasibatra. Nahitana tsatoka antsy teo amin’ny fony, tataka ihany koa teo amin’ny tendany. Natolotra ny fokonolona ho halevina ny razana taorian’ny fanadihadiana.

Mino

Partager sur: