Nifarana omaly, tany Thaillande, ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja Bodybuilding. Tsy niveri-maina ny delegasiona malagasy fa niambozona medaly. Norombahin’i Madagasikara mantsy ny alimo iray.
Tsy nitsanga-menatra i Madagasikara, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, eo amin’ny taranja Bodybuilding. Fifaninanana notanterahina tany Thailande, ny 9 ka hatramin’ny 11 desambra lasa teo. Tsy nody maina, nitondra medaly nody ny delegasiona malagasy. Nandrombaka medaly alimo ny hany vavitokana, solontena malagasy, tamin’izany fihaonana izany dia Rafalinirina Stephanie na i Stessy, rehefa niatrika ny famaranana, omaly alahady. Teo amin’ny sokajy Women’s Model Physique no nifaninanany tamin’ity fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ity, ka nahazoany ny laharana fahatelo. Solontena malagasy telo lahy no nifaninana teo amin’ny sokajy Athletics Physique, nahitana an-dRandrianaromanana John Mario (Bigman), i Marinjara Maurice ary Randrianantenaina Nantenaina Fitiavana (Monstre), raha toa ka nifaninana teo amin’ny sokajy Master Men’s Bodybuilding kosa, Andriatsilavina Joseph na i Tsila kely. Raha ny vokatra teo amin’ireo bokonozatra lehilahy ireto kosa, laharana fahefatra no nisy an’i Bigman ary tafiditra Top 15 kosa i Maurice sy i Monstre.
Mafy ny mpifanandrina, raha ny nambaran’ny tale teknika nasionaly, izay nanaraka akaiky azy dimy mianadahy tany Thailande, kanefa azo lazaina ho manana teknika ambony ihany ny atleta malagasy. Niakatra noho ny tamin’ny taona lasa ny lentan’ireo firenena nandray anjara ka sarotsarotra ho an’ny Malagasy no niady ny anaram-boninahitra. Na izany aza, nahafa-po ny vokatra.
Mi.Raz




