Fifanintsanana Can 2027: Hitady isa 3 amin’i Tanzanie ny Barea, anio

“Adin’ny samy resy”! Hifandona ao amin’ny Stade d’Honneur de Meknès, kianja atsy Maroc, anio, ny Barean’i Madagasikara sy ny Les Taifas Stars Tanzanie. Lalao tafiditra amin’ny andro faharoa, fifanintsanana Can 2027 ho an’ny vondrona “L”. Ma­rihina fa samy resy ireto ekipa roa ireto teo amin’ny andro voalohany. Raha tsiahivina, lavon’i Nigeria, 2 no ho 1, ny Barea raha toa ka niondrika, tamin’ny isa 2 no ho 0, nanoloana an’i Guinée Bissau, ny tanzanianina. Hiezaka ny hitady fandresena, anio, ny Barea hakana isa 3. Raha ny fihaonana farany teo amin’ny roa tonta, efa tany amin’ny taona 2021, nandritra ny fifanintsanana “Mondial 2022”. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, tamin’izany. Lalao natao tetsy amin’ny Kianjaben’i Mahamasina. Tsiahivina fa efa tafita amin’ny Can 2027 ny Taifas Stars, noho izy ireo mpampiantrano. Toerana iray izany sisa hiadiana ao amin’ity vondrona “L” ity. Ho ratsy toerana izay resy anio. Ny 6 oktobra ho avy izao vao hifarana ny fe-potoana natokan’ny Federasiona iraisam-pirenena Fifa ho an’ireo lalaon’ny ekipam-pirenena. Saika manana lalao telo sy efatra avokoa ny ankamaroan’ireo firenena ha­fa, raha toa ka roa ihany ny mbola ofisialy ho an’i Mada­gasikara. Mbola baraingo, hatreto, ny mety hanaovan’ny Barea fihaonana ara-pirahalahiana amin’io fotoana io.

Fitia Randria

Partager sur: