Nifarana ny zoma lasa teo, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny seminera ho an’ny mpanazatra mpiandry tsatoby, taranja baolina kitra, sokajy tanora. Herinandro ny faharetan’izany ka nisian’ny fifanakalozana sy traikefa hanamafisana ny toeran’ny mpiandry tsatoby.
Niala sasatra ireo klioba miatrika ny fifaninanam-pirenena, taranja basikety N1A lahy sy vavy, omaly. Mitohy kosa izany amin’ity talata ity. Fihaonana tanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Eo amin’ny vehivavy, hifandona ny JEA Vakinankaratra sy ny Dunamis Analamanga. Ho an’ny lehilahy, hifanehitra ny samy Analamanga, ka hifandona ny ASSM sy ny GNBC.
Hotanterahina ny zoma 2 ka hatramin’ny alahady 4 oktobra ho avy izao ny Rallye tour de Tana, dingana fahefatra hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Hetsika karakarain’ny klioba ASA Tana. Hampiavaka ny fihaonana ny fisian’ny dingana manokana amin’ny alina “ES”, hatao etsy amin’ny Araben’ny fahaleovantena, ny sabotsy.





