Kitra – Orange Pro League: resy daholo ny CFFA sy ny Elgeco Plus

Nitranga ny tsy nampoizina, teo amin’ny andro fahefatra, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Orange Pro League”. Samy tojo faharesena avokoa mantsy ny CFFA Andoharanofotsy, tompondakan’i Madagasikara sy ny Elgeco Plus, tompon’ny am­boara.
Omaly, tany amin’ny kianja Manakara, lavon’ny Dato FC, tamin’ny isa mazava, 2 no ho 0 ny CFFA Andoharano­fotsy. Baolina tafiditr’i Jinidy, teo amin’ny minitra faha-43 sy ny an’i Santatra, teo amin’ny minitra faha-72.
Resin’ny Zanakala FC, teo amin’ny zaridaina filalaovany tamin’ny isa, 2 no ho 1 kosa ny Elgeco Plus. Nampiditra ny baolina voalohany, i Safidy, ho an’ny Elgeco Plus, teo amin’ny minitra faha-9. Namono ny baolina ho an’ny ekipan’i Matsiatra Ambony kosa i Patrick, minitra faha-35 sy ny an’i Harison, tany amin’ny fanampim-potoana 45+2 mn.
Hatreto, mbola ny ekipan’ny Fosa Jr Boeny ny hany tsy mbola tojo faharesena ho an’ny kaonferansy avaratra. Mbola ny CFFA kosa no mitarika any amin’ny kaonferansy atsimo. Hiato, mandritra ny heriandro ity fiadiana ny ho tompondakam-pirenena ity, noho ny fanomanantena sy ny fiatrehan’ny Barea “Chan”, lalao amin’i La Réunion, ny 17 desambra, ho avy izao, etsy Mahamasina.

Tompondaka

Kaonferansy avaratra
- Cosfa (2) – (1) Uscafoot
- Ajesaia (3) – (1) AS Fanalamanga
- TFFC (0) – (2) Fosa Jr
- Tia Kitra (2) – (2) ASA Diana

Kaonferansy atsimo
- Elgeco Plus (1) – (2) Zanakala FC
- Jet Kintana (3) – (0) 3FB Toliara
- Disciples FC (1) – (2) Mama FC
- Dato FC (2) – (0) CFFA

Partager sur: