Nifarana omaly, teto amin’ny kianja Acmil Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy, sokajy rehetra. Fifaninanana voalohany natao tany amin’ny faritra, ho an’ny federasiona malagasin’ny tenisy (FMT). Nanjakan’ireo mpilalaon’ Analamanga avokoa ny amboara teo amin’ny lalao famaranana, indrindra ho an’ny sokajy vehivavy. Isan’izany, ny nibatan-dRasendra Miotisoa ny fandresena, teo amin’ny «1 ère série». Resiny, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/3, 6/0), Razafinarivo Mirindra. Tombony ho an’i Miotisoa, ny traikefa sy ny fahazarany lalao goavana. Tsiahivina fa samy mpilalaon’Analamanga, izy mirahavavy. Ankoatra izay, nanao pao-droa, Rakotomalala Fikasana, izay nahazo ny amboara teo amin’ny “2ème” sy “3è série”, rehefa nandresy an’i Haingoniaina Ediana, mpilalaon’i Vakinankaratra, tamin’ny seta 2 no ho 0 avy. Marihina fa tsy nisy afa-tsy izy mirahavavy ireo ihany, nanao ny lalao famaranana teo amin’ireo sokajy roa ireo.
Adin’ny samy Vakinankaratra kosa ny teo amin’ny “4ème série”, izay norombahin’i Haingoniaina Ediana, rehefa nanilika an-dRanaivosoa Miranda, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/2,6/4).
Nifampizarana ny amboara teo amin’ny lehilahy
Nifandanja tsara kosa ny teo amin’ny sokajy lehilahy. Anisany izany, ny teo amin’ny “1ère série”, izay lalaon’ny samy Analamanga. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, Rakotomalala Romeo, rehefa nandresy an-dRaharivony Nicolas, tamin’ny seta 2 no ho 1, (4/6, 6/1, 6/4). Lasan’i Nicolas ny seta voalohany saingy tsy nahatohitra an’i Romeo, intsony teo amin’ireo seta roa farany.
Nalain-dRazafimahatratra Stephane, mpilalaon’i Vakinankaratra, ny amboara teo amin’ny “2ème série”, rehefa nampiondrika an-dRazanajao Julio, avy any Matsiatra Ambony. Mbola fihaonan’ny samy Analamanga, ny an’ny “3ème série”, izay lasan-dRalaimihantaniriantsoa Ronny, raha nandavo an-dRakotondranaivo Ismael, tamin’ny seta 2 no ho 1, ( 6/2, 3/6/, 7/5), Nahatratra 120 mianadahy ireo mpifaninana, avy amin’ny ligim-paritra miisa fito dia Amoron’i Mania, Atsinanana, Atsimo Andrefana, Boeny, Vakinankaratra, Analamanga, Matsiatra Ambony.
Fitia (Iraka
manokana Antsirabe)
HOY IZY IREO
Naina Zandina (Filohan’ny Federasiona malagasin’ny tenisy)
Mahafinaritra ny fifaninanana, niverina nandray anjara daholo ireo mpilalao. Tsy nisy mantsy izany nandritra ny roa taona noho ny fisian’ny Covid -19. Araka izany, hita taratra teny amin’ireo mpilalao mpandray anjara ny fahavitrihana. Ny lesoka hitako nandritra izay herintaona mahery nitantanako ny taranja tenisy izay, nidiran-trosa be ny federasiona malagasin’ny tenisy (FMT), noho iny valanaretina iny, saingy efa voaefa avokoa, izany. Teo koa ny fiparitahan’ny mpilalao noho ny tsy fisian’ny fifaninanana. Ny zava-dehibe, tamin’ity voasafidy hanao ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) ireo mpilalao mendrika nandritra ny fifaninanana. Misaotra tanteraka ny Telma, mpanohana. Manao antso avo amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena ny tenako mba hijery akaiky ity taranja ity, satria mahatsiaro miady irery izahay ato amin’ny FMT.
Romeo (Mpilalao tompondaka «1ère série» lehilahy
Faly dia faly tokoa satria sambany teo amin’ny fiainako, nahazo izany amboaran’i Madagasikara izany, ary tratra ny tanjoko tamin’ity taona ity, izany hoe nivaly ny ezaka nataoko. Mila harenina kosa ny tsy fahazarana miatrika ireo mpijery, satria somary matahotra kely ny tenako nanatanteraka iny famaranana iny. Tombony ho ahy ny tsy nanaovako fahadisoana, teo amin’ny fanaovana «service» rehetra.
Miotisoa (Mpilalao tompondaka “1ère série” vehivavy”
Somary sarotra ho ahy ny lalao famaranana, satria mafy ny mpifanandrina tamiko. Teo koa ny tahotra. Tombony ho ahy, ny lenta ara-teknika, ka izay nahatonga ny fandresena androany.
Randrianaivo Nirintsoa Elie (Tomponandraikitra Telma)
Somary nisy olana ny tenisy teo aloha. Aminay orinasa mpanohana, tsara ny fanomanana ary hita fa miezaka ny Federasiona ankehitriny, mamaha ny olana misy amin’ity taranja ity. Vonona foana izahay hiara-hiasa amin’ny FMT.
Dinika nangonin’i Fitia
(Iraka manokana Antsirabe)




