Ramamimampionona Gérard: “Ny politika manakorontana no mila ajanona”

Ao anatin’ny hoe fitoniana politika: tsara hojerena ny politika manakotaba, ny politika mitabataba, ny politika manakorontana. Eo koa ny politika fifampihantsiana sy fifanaratsiana. Ireny no tokony hajanona.” Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, ny amin’ny hoe fiatoana politika amin’ny fetin’ny Krismasy sy ny fitsenana ny taona vaovao.

Raha politika mitsinjo ny fiainam-bahoaka, mitondra filaminana sy fiadanana, fifankatiavana sy fifaliana… Inona moa no hanajanona an’izany? Mifantoka amin’ny  famonjena ny olona amin’izao fotoana izao. Ilàna filaminana sy fitoniana amin’ny  sehatra rehetra hoe: mariky ny fanajan-tena sy fanajana ny hafa zary fifanajana amin’ny fomba izany : maka aim-panahy sy hery ary fahazavan-tsaina hoe ahoana ny ho tohiny amin’ny  manaraka?  Koa raha tonga ny taom-baovao, mahazo fahazavan-tsaina amin’izay politika tokony hatao. Tokony hotohizana ny filaminana sy ny fifankatiavana, fiaraha-mientana sy fifampizarana. Zava-dehibe ny fitoniana politika, fa tsy hikorontana  raha vao vita ny fety. Misy toe-tsaina sy foto-pisainana entina ao anatin’izany”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: