Mois : décembre 2022

Unesco – Lakozia mitety sekoly : nomen-danja ny sakafo malagasy sy ny ankizy

Notanterahina, omaly, te­ny amin’ny zaridainan’An­dohalo ny «Lakozia mitety sekoly». He­tsika niarahan’ny vaomieram-pirenena malagasy mo­m­ba ny Unesco (Com.Nat. Une­s­co) sy ny Haka Fy Authentic Res­tau­rant, hanomezan-danja ny sakafo malagasy sy ny ankizy. Notsiahivin’i Manda Ra­ve­lojaona, S.G. Com.Nat. fa : «mivoy kolontsaina ny sa­kafo. Misy fotony avokoa ny za­vatra ao anatin’ireny taharo ireny. […]

Afa-po ny CIJ : raikitra ny Lalaon’ny Nosy 2023 eto Madagasikara

Tsy miova fa horaisin’i Madagasikara, ny lalaon’ny Nosy 2023. Io no fantatra taorian’ny fitsidihana nataon’ireo mpikambana eo anivon’ny vaomiera iraisam-pirenen’ny lalao (CIJ), teto amin-tsika. Nifarana, omaly, ny fi­vo­riana nataon’ny CIJ (Conseil International des Jeux), teto Madagasikara. Afa-po ny filohan’ny CIJ, i Anthony Gopal ary nahita ny fahavononan’i Madagasikara, amin’ny fotodrafitrasa […]

Tetikasa MCGL : hanampy ny tolotra ara-pahasalamana

Nosokafana tamin’ny fom­­ba ofisialy ny, 13 desambra teo ny tetikasa Momentum Country and Global Leader­ship (MCGL), niarahana tamin’ny USAID. Tetikasa hampitombo ny vokatra ara-pahasalamana any amin’ny faritra 15 eto amin’ny firenena izy io. “Hanampy ny minisite­ran’ny Fahasalamam-bahoaka hamolavola politika hanatsarana ny fandaharanasan’ny fanjakana momba ny fahasalamam-bahoaka eto Mada­ga­sikara ny MCGL”, hoy […]

Zon’olombelona : fanandevozana moderina ny fanondranana olona an-tsokosoko

Nanambara ny Mpano­lotsaina voalohany eo anivon’ny masoivoho amerikanina, Tobias Gluksman, nandritra ny lahateniny, omaly, fa “en­drika fanandevozana mo­derina ny fanondranana olona an-tsokosoko no sady fanitsakitsahana ny zon’olombelona”. Notsipihiny fa vonona ny firenena amerikanina ny hiara-hiasa amin’ny governemanta malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny amin’ny fandraisana fepetra mifanaraka amin’izany. Voakasik’izany ireo olona, […]

Minisiteran’ny : fitsarana Henjanina ny sazy ho an’ny mpanao herisetra

Betsaka ireo mitaraina fa very an-javony ny fitoriana momba ny trangana herisetra rehefa tonga eny anivon’ny fitsarana. Nanazava ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Fitsarana fa henjana ny politika ampiharina momba ny ady atao amin’ny herisetra. Ao anatin’ny 16 andro hanaovana hetsika iadiana amin’ny he­risetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, […]