Mandalo fahasahiranana ny Ivontoeram-pirenena misahana ny antontanisa na ny Instat. Tsy voaefan’izy ireo ny trosan’ny Cnaps, mitentina 1 miliara sy 200 tapitrisa ariary. Anisan’ny noresahana io, nandritra ny fivoriambe izay nataon’ny sendikan’ny mpiasa rehetra eo amin’ny Instat (Saps), teny Anosy, omaly. Tsiahivina fa tsy voaloan’ny Instat ny latsakemboka Cnaps nanomboka […]
Mois : décembre 2022
Fampandrosoana : hisitraka fampitaovana nomerika ny eny ifotony
Natao ny talata teo ny atrikasa ho amin’ny fampitaovana ny eny anivon’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (CTD), mifandraika amin’ny “Digitalisation”. Nivoitra ny hijeren’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana (Mid) ireo fitaovana mifandraika sy ho azon’ny eny ifotony ampiasaina. Eo ny fampisana ny nomerika ho amin’ny fitantanana ny asam-panjakana sy ny ara-bola. Ny […]
Tetikasa OBS-Mada : tanora 10.000 nitondra fiovana
Antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ny tsy fananan’ny tanora asa. Napetraka ny tetikasa OBS-Mada, mikendry ny tanora hanamafy ny fahaiza-mitarika, mba ho lasa mpivoy filaminana eny amin’ny fiarahamonina. Manohana ara-bola azy ny Tahirimbolan’ny firenena Mikambana hanamafisana orina ny fandriampahalemana (PBF), eo ambany fiahin’ny minisiteran’ny Fanatanjahatena sy ny tanora, tantanan’ny Pnud […]
Fangatahan-kevitry ny HCDDED: tsy mbola afa-milaza inona ny HCC
“Ny azo tenenina aminareo dia izao: androany, amin’ny maha filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ahy, tsy afa-kilaza na inona na inona”, hoy ny valin-tenin’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny fangatahan-kevitra nataon’ny HCDDED ny amin’ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny Antenimierampirenena ny governemanta sy ny amin’ny fitsabahana andraikitra nataon’ny […]
Tobim-panafody : nolanian’ny loholona ny lalàna Voninahitsy
Nolanian’ireo loholona tsy nasiam-panintsiana, omaly, ny volavolan-dalàna 003-2021, mikasika ny fahasalamana natolotry ny solombavambahoaka ,Voninahitsy Jean Eugène. Isan’ny voarakitra ao ny asan’ny tobim- panafody (dépôts de médicaments). Nasiam-panovana amin’ny alalan’ity volavolan-dalàna ity ny andalana faha-4 sy faha-5 ary faha-6, ao amin’ny andininy faha-202. Milaza mantsy ireo lalàna ireo ny tokony hialan’ny […]




