Mois : décembre 2022

RN7 : Tovolahy niampita tampoka, vaky loha

Naratra ny tongotra sy ny lohan’ny mpandeha an-tongotra iray voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana tao anatin’ny lalam-pirenena fahafito, PK317+150 teo Camp-Robin, ny faran’ny herinandro teo. Avy aty Antanana­rivo nikasa hihazo an’i To­liara ity fiara 4×4 ity. Niam­pita tampoka, tsy hitan’ny mpamily fiara ny tovolahy iray. Niezaka niala, voafaoka io mpiampita io. […]

Karieram-bolamena: mifamono sy mandoro tanana ny samy mpitrandraka

Tsy mijanona ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana momba ilay savorovoro tao amin’ny kariera Sahatona, distrika Mandritsara andro vitsy lasa izay. Omaly, olona amam-polony indray voasambotra tao amin’ity kariera ity. Anatin’ny famotorana lalina momba ilay raharaha tao Sahato­na ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Ankehitriny, ma­no­didina ny roapolo isa ireo voasambotra tamin’iny […]