Nanao fanambarana ny eo anivon’ireo fiarahamonim-pirenena miisa telo, ahitana ny Hafari, ny Vam ary ny “Force feminine d’aide mutuelle”, omaly. “Miantso fitoniana sy fandraisana andraikitra izahay ary firaisankina fa maro ireo mpikaramanady sy jiolahy politika, manana tombony amin’ny korontana”, hoy izy ireo. Maro koa ireo manararaotra ho amin’ny tombontsoa manokana […]
Mois : décembre 2022
FPNM – Fitakiana ireo Nosy : “Mila fiaraha-miasa any ivelany ny ady”
12 desambra 1979-12 desambra 2022. Nahatsiaro ny tsingerin-taona namoahan’ny Firenena mikambana (ONU) fehinkevitra ny amin’ny hamerenen’ny frantsay amin’i Madagasikara ireo Nosy malagasy manodidina ny Firaisankinam-pirenena ho an’ny Nosy malagasy (FPNM), afakomaly. Mazava tsara fa amin’ izao ady amin’ny Nosy malagasy izao, misy paikady maro samihafa tokony hatao. Misy ady diplaomatika, […]
Filoha Rajoelina Andry: nihaona tamin’ireo “Diaspora” any Etazonia
Anisan’ny tafiditra tao anatin’ny fandaraham-potoan’ny filoha Rajoelina Andry mivady, any Etazonia, ny nihaona amin’ireo zanaka am-pielezana “Diaspora” any an-toerana. Nisy ny dinidinika nifanaovany tamin’izy ireo. Notsiahivin’ny filoha tamin’izany ny ezaka vita na eo aza ny olana samihafa. “Sahirana ny firenena nefa miezaka ny hamiratra sy hisongadina ary hiavaka ny firenentsika. […]
Miandry voan-dalana !
Anisan’ny firenena iray voaasa hanatrika ny fihaonambe an-tampony “Etazonia-Afrika” i Madagasikara. Midika izany fa manan-kasina imason’ny firenen-dehibe, anisan’ny sangany maneran-tany isika. Miampy izay, maro ny teratany malagasy mahazo mari-pankasitrahana manokana noho ny “fahaiza-manaony” sy ny “traikefa” ananany amin’ny lafin-javatra maro, toy ny ady amin’ny kolikoly sy ny fisintonana lakolosy, na […]
Tale nahafaty olona: mifanenjana ny governora sy ny fianakavian’ny maty
Voalaza fa nahafaty olona ny fiara nentin’ny tale iray ao amin’ny faritra Sofia. Naiditra am-ponja ny asabotsy saingy nivoaka ny alatsinainy izy. Tezitra ny fianakavian’ny maty. Sady nisafidy ny hangina no miaro ny olony ny governora Lylison René de Rolland. Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny tomponandraiki-panjakana ao Antsohihy sy ny […]




