Mois : décembre 2022

Bianco – Ady amin’ny kolikoly: anaovana angaredo­na ny tambajotran’ny tsimatimanota

Nomarihina, omaly, ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly. Nampita ha­fa­tra momba izany ny eo anivon’ ny Bianco, manoloana ny tranga miseho eto amin’ny firenena. “Tsy maintsy akatona miaraka ireo hirika manome va­hana ny fanaovana tantely afa-drakotra ny volam-panjakana sy ny harem-pirenena. Andao hiara-mientana hitsipaka ny tsikombakomba sy ny tambajotran’ny tsimatimanota […]

Ahina hiverina ny tantara

Mihozongozona ny fahefam-panjakana, tarihin’ny filoha Rajoe­lina Andry. Nandamoaka ny fitsipaham-pitokisana, nikasana han­dravana ny governemanta. Mivadika anefa ny rasa, ny toerana misy ny tompon-trano ao Iavoloha mihitsy izao no tandindonin-doza. Mamay ny toe-draharaha politika. Ho kila forehitra eo izay tsy mahay milalao afo. Mahoraka hatramin’ny fotoana nanoratana ny filazana fa mikiry […]

Nangalatra 7 000 Ar : zazavavikely nafatotra tongotra aman-tanana

«Zanaka tiana tsy hitsitsian-drotsakazo», hoy ny Ntaolo. Mivadika ho heloka bevava kosa rehefa mihoatra ny tokony ho izy. Saika maty noho ny vono nataon-dreniny ny zazavavikely tratra nangala-bola, omaly. Tsy misy fo nangoraka amin’ny maha reny! Sady nodarodarohany no nofatoran’ny ramatoa ta­min’ny tady ny zazavavikely iray, omaly, tao amin’ny tanànan’i […]

Nikasa handositra : mpamono olona voatifitry ny polisy

Nifarana hatreo ny asa ratsiny! Maty voatifitry ny polisy nandritra ny fikasany handositra ny jiolahy raindahiny iray tao Tsaraham­ben­drana, distrikan’i Farafan­gana, afakomaly. Voasam­botra ny 7 desambra teo, natao fanadihadiana lalina ity jiolahy ity ary niaiky ny heloka vitany. Nambarany ny polisy avokoa ireo asa ratsy rehetra efa nataony. Fantatra tamin’ […]