Mois : décembre 2022

Firongatry doro ala : fasana miisa 7 kila forehitra niaraka tamina taolam-paty

Hotohoton’ny afo niaraka tamin’ireo fasana fito ny taolam-balo tao anatiny vokatry ny doro ala tao Ambatomiritika anatin’ny fokontany Sahamelo­ka kominina ambanivohitra Fa­nandrana disitrikan’ i Toama­sina faharoa ny alahady 4 de­sambra tolak’ andro teo. May ireo razana tao an-davaka ary tsy nisy azo noraisina intsony ny fasana nitafo ravim-potsy. Misy tamin’ireo […]

Zava-mahadomelina: voasam­botry ny polisy ireo mpamatsy rongony

Tratran’ny polisy afak’omaly ireo mpamatsy rongony avy ao Analalava sy mivarotra izany eto andrenivohitra. Voasakan’ny polisy teo amin’ ny « barrage » Ankazobetsi­hay ny taxi-brousse iray mampitohy an’Ambanja sy Antananarivo tamin’io fotoana io. Nahenona fofona rongony ny fitoeran’entana tao ambany seza ka nosavaina. Hita tao anatina sakaosy mi­isa dimy ireo rongony […]

Ankazobe : dahalo iray sy zandary iray maty

Nirefodrefotra ny basy tao Ankazobe, afakomaly. Nandria­ka tanteraka ny ra rehefa nifandona ny zandarimaria sy ny andian-dahalo, ekipan’Iaris. Vo­kany, dahalo iray lavo, roa hafa azo velona niaraka tamin’ny basy vita gasy. Zandary iray ihany koa maty voatifitra nandritra ny fifandonana. Manao hetsika manokana any an-toerana ireo zandary ao Ankazobe, hatramin’ny […]