Voatora-bato teo amin’ny lohany, naratra ny roa tamin’ireo polisy nandrava ny fihetsiketsehan’ny mpianatra tetsy ivelan’ny ENS Ampefiloha, omaly. Vao maraina, niatrana teny an-toerana ireo mpianatra nanao fitakiana. Nilanja sora-baventy, nanomboka nikononkonona tamin’ny fanangonam-bato izy ireo. Nigadona teny amin’ny manodidina noho izany ny mpitandro filaminana handamina ny raharaha. Nampiakatra ny hatezeran’ireo […]
Mois : décembre 2022
Nijabaka
Tafapetraka soa aman-tsara ny antontan-taratasy mirakitra ny fitsipahan’ny solombavambahoaka ny fitokisana ny governemanta, tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Tapitra rahampitso rahateo ny fe-potoana, tsy maintsy handefasana izany anaty fifidianana ampahibemaso azon’ny besinimaro hatrehana, ao Tsimbazaza, araka ny voatondro amin’ny Lalàmpanorenana malagasy. Mihazakazaka ny raharaha, tsy nampoizina ny zava-niseho tao anatin’ny 48 […]
« Cocaïne » 18 kitapo: tsy nahazo fahafahana ilay “assistant parlementaire”
Niakatra tao amin’ny lapan’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava Toamasina, omaly, ny raharaha momba ny zava-mahadomelina mahery “Cocaïne” naha voasaringotra ny “Assistant parlementaire” avy ao Vangaindrano. Nolavin’ny fitsarana ao Toamasina, omaly, ny fangatahan’ilay «assistant parlementaire» ao Vangaindrano voatonontonona tamin’ny fahatrarana zava-mahadomelina mahery vaika. Nandritra ny famakian’ny mpitsara ny […]
Tselatra
Nanao fanarahan-dia dahalo nangalatr’omby, nifanena tamina andian’olona ny mpitandro filaminana valo lahy avy ao amin’ny tobin’ny zandarimaria ao Anjiajia, afakomaly maraina. Nanao ny fisavana karatra ireto andian’olona nifanena taminy ireto ny zandary. Nandà izany ireo olona ireo. Nanao tifi-danitra taorian’ireo ny iray tamin’ireo mpitandro filaminana. Tezitra ireo andian’olona ka nanakana […]
Ihosy : zaza hita nandeha irery
avy any an-toerana. Nilaza izy fa avy any Masoabe distrikan’i Vohibato raha ny fanadihadiana natao taminy. Tsy nahare fahaverezana zaza varira ny zandary tany an-toerana hatramin’io fotoana io. Ary tsy mbola nisy fitarainana mikasika izany ihany koa. “Tsy mbola fantatra hatreto na avy any Masoabe marina izy na tsia fa […]




