Année : 2022

Ihosy : hanamboarana tsena ireo mpivarotra trondro

Nanomboka avy hatrany ny fametrahana vato fototra, ny fanombohan’ny fotodrafitrasa ahitana tsena ho an’ireo mpivarotra trondro, tao amin’ ny kaominina Ihosy. He­tsika fanehoana, izay no­tantera­hin’i Mahatante Pau­bert, Mi­nisitrin’ny Jono sy ny toekarena manga, ny asabotsy 24 desambra lasa teo. Araka izany, hahazo toeram-pivarotana trondro manara-penitra ny mpivarotra sy ny mpanjifa. […]

Dabolava, distrikan’i Miandrivazo : tsy fantatra ny volamena nivoaka nanomboka ny 2019

Tsy mitondra vola miditra ao anatin’ny kaominina Dabolava, faritra Menabe, ny volamena trandrahina ao an-toerana, hoy ny ben’ny tanàna Rakotonandrasana Jeanson. Tsy misy tamberim-bidy ho an’ny kaominina izany, noho izay tsy misy fanarahina izay, ka tsy ahafahana manao tamberin’andraikitra isan-karazany. Ratsy dia ratsy ny lalana ifandraisan’ny kaominina, sekoly tsizarizary … […]

CCI-Atsimo Atsinanana : nahazo filoha vaovao

Hitantana ny Antenimie­ran’ny varotra sy Indostria (CCI) ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, i Raza­fitianamalala Murielle, taorian’ny fifidianana ny alarobia teo. Nandritra ny fametrahana ireo mpikambana ao amin’ny birao hitantana ny CCI ao an-toerana, nametraka ny fitokisany tamin’ity mpandraharaha anisan’ny manana ny maha izy azy ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ity. […]

Manambolo: miha ripaka ny honko hatramin’ny taona 1980

Atahorana ny fitrandrahana ala honko tafahoatra sy ny fiovan’ny toetr’andro any Manambolo, morontsiraka Andrefan’ny Nosy. Anisan’ny miantoka ny fiainan’ny mponina anefa ny honko. Anisan’ny miantoka ny fiveloman’ny mponina, sy ny fitaovana ilaina ho an’ny fanamboaran-trano ny fisian’io ala honko io. Ilaina koa izy ho an’ny fi­tsaboana. Manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, […]