Année : 2022

Kolontsaina: hitombo isa ny mpampianatra valiha

Rehefa nandalo dingana telo, hamoaka mpampianatra valiha ny Valiha Académie na ilay foibe fikarohana sy fampianarana momba ny zavamaneno eo ambany fiahian’ny Zanabaliha. Fantatra fa tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny dingana sy fanatrarana ny tanjona fampivelarana ny kolontsaina malagasy sahanin’ity foibe ity izao famoahana mpampianatra valiha izao. « Naharitra 3 taona […]

Namarana ny fankalazana ny faha-120 taona : nahazo mpikambana vaovao ny Akademia Malagasy

“Akademia Malagasy: se­hatra avo lenta ifampizarana amin’ny rehetra ny fahalalana an’i Madagasikara sy ny Malagasy”. Teny filamatra nosafidin’ireo mpikambana mahefa, nitondrana ny fanamarihana ny faha 120 taona io. . Nofaranana tamin’ny la­no­nana, izay nandraisana ireo mpikambana vaovao izany, tetsy amin’ny foibe etsy Tsimbazaza, omaly. 2 no no­raisina ho mpikambana mahefa. […]

Famoahana boky: nanolotra ny « Vorona ô! Le messager” i Edith Barijaona

Notontosaina omaly ny lanonam-panolorana ny boky nosoratan’i Barijaona Edith, zanak’i Barijaona sy O’Suzah, sy ny fanolorana mari-boninahitra ho an-dRafidimalala Robert, mpanakanto. Natolotr’i Barijaona Edith, zanaka vavy fahatelon’i Bari­jao­na,mpanakanto sy O’Suzah vadiny , ny boky “Vorona ô! Le messager”, omaly. Nisy ny lanonam-panolorana ny boky teny amin’ny tranombokim-pirenena Anosy. Izay natrehin-dRamatoa […]

Antenimierandoholona: hiara-kiasa amin’ ny Indianina

“Manana fandaharanasa isika izay napetraky ny filo­han’ny Repoblika amin’ny fananganana indostria manerana ny distrika 119 eto Madagasikara. Mifanentana amin’izany tinady izany ny haitao indianina, ary tokony hojerena akaiky izay mba hahazoana miara-miasa amin’ny fanatanterahana izany”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, ny amin’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ny ambasadaoron’i […]