Année : 2022

Rafitra vaovao: hapetraka ny tsenam-bola

Antsoina hoe «Marché des capitaux» ny tsenam-bola, ahazoana manolotra ny eo am-pelatanana ho an’izay mila vola. Renivola mipetra-potsiny tsy miasa, nefa tokony hampiroborobo ny toekarena eto Madagasikara. Antony ilay tsenam-bola, miaraka amin’ireo manam-bola. « Ny zava-misy dia ny banky sy ny mpampindram-bola madinika ihany no tena mamatsy ny toekarena. Koa hametraka […]

Raharaha Jirama: Samborina ny tale jeneraly roa nifandimby

Namoahan’ny fitsarana manokana miady amin’ny kolikoly (Pac) didy fampisamborana ny Tale jeneraly roa nifandimby tao amin’ny Jirama. Maro ny vesatra iampangana azy ireo. Niakatra teny amin’ny rafi-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac), ny alatsinainy teo, ny raharaha Jirama. Miisa 40 ny mpiasa sy mpitantana ity orinasam-panjakana ity voaantso teny. Naiditra am-ponja […]

Covid-19 : iray maty, 397 ny tranga vaovao

Namono olona iray ny Covid-19 nandritra ny 19 novambra ka hatramin’ny 25 novambra lasa teo, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-ba­ho­aka, omaly, raha isaky ny alahady ny fanomezana ny fivoaran’ny antontanisa mahazatra isan-kerinandro. 205 ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana 1061 natao tao anatin’ny faritra folo, 397 ny olona marary amin’izao fotoana […]

Rafitry ny fahasalamana: miantso ny mpiray ombon’antoka hanampy ara-bola

Voavolavola ny drafitrasa hotanterahina mandritra ny efatra taona manaraka ho an’ny tolotra fahasalamana ao anatin’ny distrikan’An­tana­na­rivo Renivohitra. Ho an’ny taona 2023, mitentina 214 300 000 Ar ny sora-bola hokirakirain’ny CSB 18 eto Antananarivo Renivohitra sy ny sampandraharaham-pahasalaman’ny distrikan’Anta­nana­rivo Renivohitra. Vola hampihodinana ny raharaha andavanandro ireo fa mbola miandry tohana sy famatsiana avy […]

Masoivoho japoney: hanangana efitrano fianarana ho an’ny IST

Nanome vola mitentina 272 tapitrisa Ar hananganana efitrano lehibe iray mahazaka olona 100 mahery sy efitrano fianarana vaovao ny masoivoho japoney miasa eto amintsika ho an’ny sekoly ambony Institut supérieur de technologie (IST) Antananarivo ha­nam­piana ny fahafahan’ny sekoly mandray mpianatra. «800 isan-taona ny mpianatra azo raisina hatramin’izay no­ho ny fahanteran’ny […]