Année : 2022

Nilalao teo amoron-drano : ankizivavy iray lanin’ny voay

Tsy hita popoka, lanin’ny voay ny ankizivavy iray 14 taona, monina ao Vohilava, distrikan’i Farafangana, afakomaly hariva. Nilalao teo amoron-dranon’i Manampa­tra, kaominina Vohilava, distrikan’i Farafangana ireo an­kizivavy maromaro tamin’io fotoana io. Nampandre ny manodidina ireo namany ireo fa lanin’ny voay ilay ankizivavy ka tsy hita ny misy azy. Nanamarina ny […]

Vangaindrano : nodorana ireo rongony 22 kilao

Nodorana nanoloana ny biraon’ny sefo distrika tao Vangaindrano ireo rongony 22 kilao, omaly maraina. Tra­tran’ ny zandary tany anaty ala Agnandrembahy, fokontany Morondava, kaominina No­sifeno Midongy Atsimo, ny 11 desambra teo, ireo zava-ma­hadomelina ireo. Voarohirohy tamin’io ny lehilahy 20 taona iray nitondra gony roa feno rongony. Natolotra ny fitsarana izy […]

Nilalao lakana: lehilahy mamo natelin’ny rano

Lasan’ny rano i Pala, rehefa nilalao zahatra na lakanakely teo amin’ny reniranon’Itomampy, afakomaly hariva. Mamo izy io ka nivadika ny zahatra nentiny. Maty lasan’ny rano ny lehilahy iray, afakomaly tamin’ny 5 ora hariva. Raha ny tatitra voaray, nilalao zahatra teo amin’ny reniranon’ Itomampy, andrefan’Itanakidy izy io. Ni­vadika ny zahatra avy […]

Fisorohana ny aretin’ny biby: veterinera 47 nahazo fiofanana

Mpitsabo veterinera miisa 47, nahazo fampivoarana ny fahaiza-manao amin’ny fanaraha-maso ny aretin’ny biby, tao Mahajanga. Fiofanana izay notanterahina tamin’ ny 19 hatramin’ny 21 desambra lasa teo. Tsiahivina fa avy amin’ny faritra Diana, Sava, Sofia ary Betsiboka izy ireo. Hetsika izay tafiditra amin’ny tetikasan’ny Vao­mieran’ny ranomasimbe In­dianina “Sega One health”, mba […]

Fifaninanan’ny fokontany : tanjona ny fahadiovan’ny faritra sy ny fambolen-kazo

Fokontany 11 no nandray anjara tamin’ny fifaninanana momba ny tontolo iainana maitso nampanaovin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny minisiteran’ny Asa vaventy, naroso tamin’ny 9 aogositra 2022. Nampaha­fantarina ny valin’izany fifaninanana izany. Tanjona ny hikajiana ny fahadiovan’ny faritra, ka ny fambolen-kazo miisa 250 nozaraina tamin’ ireo fokontany 11, niampy ny […]