Jirama : Kojakojaina ny jiro sy ny rano

Nanomboka, omaly alahady, ny ekipan’ny Jirama no nanolo ireo fitaovana bakoly « isolateurs », mitazona ny taribin-jiro, mampita ny herinaratra avy eny Ambohima­nam­bola mankany Antsirabe ao anatin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Ha­na­tsara ny tambajotra mpitsinjara herinaratra izany, hampihenana ny fahatapatapahan-jiro amin’iny zotra iny.
Ankoatra izany, mandeha koa ny fanadiovana ny rano ao amin’ny toby Mandroseza II, hanatsarana ny kalitao. Ma­romaro ny dingana atao, ka mety haharitra ny asa. Hiteraka fikorontanana amin’ ny famatsian-drano eto an-dRenivohitra sy ny manodidina izany.

Njaka A.

Partager sur: