Zaikaben’ny tanora ho an’ny fahitsiana: Hanomboka anio, eny Ankatso

Hanomboka anio, haharitra roa andro, ny zaikabem-pirenen’ny tanora ho an’ny fahi­tsiana. Andraisan’ny tanora manerana ny Nosy anjara izany, izay hotanterahina eny amin’ny oniversiten’Antananarivo.

Ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), tohanan’ny fikambanan’ny Firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay (OIF) ary ny Konfederasionina soisy no mi­karakara ny hetsika. Ao ana­tin’ny fanatanterahana ny tetikasa «Ady amin’ny koli­koly amin’ ny alalan’ny fanabeazana sy ny tanora » ny hetsika. Kendrena amin’izany ny hanasongadinan’ ireo ta­nora ny fahaiza-mamorona ananany sy ny hirotsahany an-tsehatra amin’ny fampiroboroboana ny kolontsain’ny fahitsiana, ny mangarahara ary ny andraikitra maha olom-pirenena, raha ny fanaza­vana.
Tanora avy amin’ny faritra samihafa manerana an’i Ma­da­gasikara no hanao fifanakalozan-kevitra, fandinihana, fi­fam­pizarana traikefa ary fandraisana andraikitra ho fampiroboroboana misimisy kokoa hatrany ny fahitsiana. Roa andro hi­hai­noana, hametra­hana fanontaniana, hifampizarana, hanolorana sosokevitra ary hampandrenesana ny feon’izy ireo ma­noloana ny fanamby momba ny fahitsiana eto Madagasi­kara.
Mpandaha-teny avy amin’ny sehatra samihafa hiara-hifanakalo sy hisaintsaina ary ha­norina hoavy feno fahi­tsiana. Anisan’ireo ny sekre­tera mpanatanteraky ny CSI (komity miaro ny fahitsiana), Razafi­mandimby Tsiry, ny mpanakanto Randriamasinoro Heri­naivo (Gothlieb)…
Nanomana fanamafisana ny fahaiza-manao sy lahadi­nika ny mpikarakara. Handray an­jara amin’ny asam-bon­drona sy fa­molavolana tolo-kevitra ireo tanora. Hiaraka hanoratra “ma­nifeste” momba ny fandraisana andraikitra maha olom-pirenena.
Ho an’ireo tanora 18 ka ha­tramin’ny 35 taona voafan­tina avy any amin’ny faritra, iantohana ny fitaterana, ny fonenana ary ny sakafo mandritra ny fan­draisan’izy ireo anjara amin’ny zaikabe.
Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo ny fampitana am-bavama­hakasika ny fananganana ny “Haut commissariat de la jeunesse en charge de l’engagement citoyen et de la lute contre la corruption” eo anivon’ny Fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika ahitana ireo tanora. Hifototra amin’ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena amin’ny ady atao amin’ny kolikoly izany.

Vonjy

Partager sur: