Fondation Axian: Arifomba ny kianja ho an’ny CEG Antanimbarinandriana

Notokanana omaly ny kianja fanaovana fanatanjahantena marolafy ao amin’ny CEG Antanimbarinandriana. Fiaraha-miasa amin’ny Fon­dation Axian, ao anatin’ny tetikasa « Mihetsika Mvola » no nahafahana namita ity fotodrafitrasa ity.
Ankoatra ny kianja, nasiana toerana manokana hahafa­hana misolo akanjo mialoha sy aorian’ny fanatanjahantena ihany koa mba handrisika ny vehivavy hiantsehatra amin’ izany.
Nanazava ny talen-tse­koly, Ravololomanana Lanto Harisoa, fa tena hanampy ny mpianatra ny fahazoana fotodrafitrasa satria tsy afaka mi­ditra ao amin’ny Kianja Barea intsony izy ireo. 65 taona ny sekoly amin’izao fotoana ary fanomezana goavana izao kianja izao ho an’ireo ankizy
1 544 mianatra ao an-toerana.
Nanome toky ny hikolokolo ny toerana ny sekoly, indrindra ireo ankizy, mba hampaharitra sy ho lovain’ny hafa any aoriana ny kianja. Hitohy ny asa ho an’ny fanatsarana ny fotodrafitrasam-panabeazana ho an’ny Fondation Axian, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra, Andriana­solo Mialisoa. Kianja faha-21 nao­rina tamina sekoly ity notokanana omaly ity.
Tetsy andaniny, nandray avy hatrany ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra Fram ao amin’ity CEG ity ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. “Rehefa misy ny ezaka, mendrika hampiana ny sekoly ka hojerena akaiky ny ham­piditra ireo Fram”, hoy ny tenany.

Tatiana A

Partager sur: