Dahalo mpampijaly vahoaka : lavo i Lefidy sy Rabemahazaka

Tratra ambodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny i Lefidy sy Rabemazaka tao Ankerika, distrikan’Antso­hi­­hy. Naharay antso mahakasika azy roalahy ireto ny zandarimaria ao an-toerana nilaza fa nihaodihaody tao Ankerika izy ireo. Raikitra ny fidinana ifotony sy ny fifanenjehana. Araka izany, tsy nanam-po ireto dahalo fa niova ny paik’ady noentin’ny zandary ni­samborana azy ireo. Vokany, raikitra ny fi­fanjevoana. Voa­tery nampiasa basy ny mpitandro filaminana ka samy lavo izy roalahy, dahalo ikoizana ireto.
Malaza ratsy sy mampitondra faisana ireo vahoaka ao amin’ny distrikan’Antso­hihy sy Analalava ary Beala­nana amin’ny halatr’omby sy ny fa­nafihana mitam-piadiana i Le­fidy sy Rabemazaka. Tsy ni­tsitsy azy roalahy koa ny mpitandro filaminana nandritra ny fisamborana. Nisento tokana sy nankasitraka ity vokatra ity ny mponina ary naneho fisaorana ny zandarimariam-pirenena tamin’izany.

Henintsoa H.

Partager sur: