Hatramin’ny taona 2000 : olana hatrany ny famatsiana herinaratra

Tany amin’ny 10 taona lasa, efa nisy ny fiaraha-nidinika tamin’ny Vondrona eoropeanina momba ny famatsiana angovo eto Madagasikara. Votoatin’ny dinika tamin’izany ny fandrafetana politika vaovao momba ny angovo, izay efa nahitana lesoka ta­min’ny fiandohan’ny taona 2000.
Niarahan’ny Vondrona eo­ropeanina sy i Madagasikara nandrafitra ny politika, izay tokony hifanaraka amin’ny filàna eto amin’ny firenena. Ny fampiharana izany, tokony hifandraika amin’ny tanjona napetraka hisian’ny fampandrosoana marina.
Na misy aza ireo fepetra samihafa noraisina, tsy hita hatramin’izao amin’ny famatsiana angovo. Mitanila hatrany ny famatsiana manerana ny Nosy, sy mitombo ihany ny angovo mandeha amin’ny solika, tsy azo antenaina no mahabe mason-karena. Mi­fanipaka amin’izay, mbola tsy mahasarona tanàna firy ankehitriny ny angovo azo havaozina.
Na nofaritan’ny mpitondra nifandimby aza ny Jirama, tsy mety tafarina fa matiantoka hatrany, matiantoka miaraka amin’izay koa ny vahoaka. 10 taona aty aoriana 2013-2023, vao mainka miharatsy izay famatsiana herinaratra izay amin’ny tanàna maro, noho ny fahanteran’ny fitaovana, halatra samihafa mivantana na an-kolaka.
Tombanana ho 15 % monja ny mahazo herinaratra
Noho izay tsy fivoarana misy eo amin’ny famatsiana angovo izay, tombanana ho 15 % monja ny mahazo herinaratra manerana an’i Mada­gasikara. Voavatsy be indrindra Antananarivo sy ny manodidina ary mitombo ny fitongilanana amin’ny fahazoana angovo hatramin’ny nisian’ny milina fahefatra ao Ande­kaleka sy toby vaovao ao Fa­rahantsana.
Ny hita tany amin’ny 2013, vao mainka hita amin’izao fotoana izao, toy ny famatsiana angovo tsy mitovy. Mi­tombo ny fampiasana solika nefa tsy mahavaha olana any amina kaominina maro, in­drindra ny any ambanivohitra.

Ndrina

Partager sur: