Jean Nirina R. : betsaka ny vitan’ny filoha Rajoelina tamin’ny fitantanany

Tonga eo amin’ny dingana famaranana ny filoha Andry Rajoelina amin’izao fotoana izao. « Betsaka ny vitany fa tsy vitsy koa ireo mbola miandry azy satria latsaka an-katerena ny firenena malagasy tao anatin’ny 60 taona nahazoana fa­ha­leovantena », hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Jean Nirina Rafanomezan­tsoa, na­neho ny fahitany ny zava-bitan’ny filoham-pirenena. Nohitsiny fa tsy mbola nisy mpanao politika teto Mada­gasikara, fa fitiavan-tena sy fitiavan-tseza no nibaiko nandritra izay fotoana izay. Misedra olana goavana ny filoha ankehitriny eo amin’ny finiavany hanatanteraka ny vina fa ireo nanankinany andraikitra sy nalainy ho namana no tena vato misakana ny fampandrosoana tiany hatao sy/na tsy mahay ny asa tokony hatao. Eo koa ireo miantehitra amin’ny famatsiam-bola sy mitomany voninahitra fotsiny, araka ny nambarany. Nampisongadina ny filoha Rajoelina ny fiarahany niasa tamin’ny minisitry ny Mpo­nina teo aloha, fahavelony, Nadine Ra­maro­son, indrindra teo amin’ ny fiarovana ny vahoaka sy ny fampandraisana andraikitra. « Ta­min’izany no nisy fanjakana miady amin’ny fanjakana satria nijery ny sosialim-bahoaka izy sy ni­ady tamin’ny tsindry hazolena ary na­nohitra ny herisetra », hoy izy. Efa nisy ny vahaolana noraisin’ny filoha ta­min’ny fanoloana ireo mi­nisitra sy governora izay hita fa tsy nahavita ny andraikitra nankinina taminy. Tsy hijerena finoana na politika ny fanavotana an’i Madaga­sikara.

Jean Claude

Partager sur: