Mitotongana ny Ariary : manakaiky ny 5.000 Ar ny 1 euro

Mihazakazaka ny fitotongan’ny sandambola Ariary. Kely sisa dia hisanda 5.000 Ar ny euro iray, izay tsy mbola nisy mihitsy hatramin’izay. Omaly 10 janoary tamin’ny
2 ora sy sasany tolakandro, nahatratra 4.820 Ar ny sandan’ny 1 euro, ary 4.502 Ar ny 1 dolara, araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Adiny iray taorian’izay anefa, vao mainka tafakatra ho 4.865 Ar ny 1 euro tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro, ary 4.548 Ar ny 1 dolara. Tamin’ny 11 ora sy sasany maraina anefa, mbola 4.818 Ar ny 1 euro, ary 4.501 Ar ny 1 dolara. Izany hoe, mivoatra isan’ora ny fiovaovany ary tsy mitsahatra mitotongana hatrany.

Ho mafy ny krizy ara-toekarena
Raha ny fanazavan’ny mpahay toekarena, R.R, azo heverina, fa ho tratra tsy ho ela ny sanda 5.000 Ar ho an’ny 1 euro sy ny 1 dolara, izay tsy mifanalavitra ny elanelana. Satria, haingana be ny fitotonganany, nefa tsy misy ny singa na famantarana hita fa mety tsy hihetsika, na ho marindrano ny fiovaovany. Efa nanamarika mialoha rahateo ny Banky Iraisam-pirenena (BM) sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), fa ho mafy ny krizy ara-toekarena sy ara-bola amin’ity taona 2023 ity. Hita soritra sahady izany amin’ny fidangan’ny vidin-javatra eto an-toerana sy ny avy any ivelany. Etsy ankilany, tsy ampy ny tahiry vola vahiny satria tsy mbola tafaverina daholo ny vidin’ireo entana naondrana any ivelany.

Njaka A.

Partager sur: