Famoahana boky : misongadina ny asa soratra “Trafika”

Tontosa ny asabotsy 14 janoary 2023, teny amin’ny Institut Français de Madagas­car na IFM Analakely ny fampahafantarana ny boky “Trafika”. Tantara mitohy an-tsary, voasokajy ho isan’ny nahita fahombiazana teto an-toerana hatrany ivelany. Maro no tonga nanatrika izany fampahafantarana izany sangan’ asa manana ny maha izy azy izany. Nisy ihany koa ny varotra, narahin’ny fanoratana firariantsoa avy amin’ireo nanao ny boky, ho an’ny mpividy. Manana sanganasa tena miavaka sy mahalina ny vahiny, indrindra ny Eoropianina , ny Malagasy. Fiaraha-miasa teo amina mpanakanto sy manampahaizana eo amin’ity sehatra ity no nahatanterahana izao. Rolling Pen no teo amin’ny fandrindrana an-tsary, Rafally no nanao ny sary ary Pelayo sy Marcos no teo amin’ny lafiny loko. Mampiakatra ny lentan’ny zavakanto malagasy, indrindra ny tantara mitohy an-tsary malagasy ny fisian’ny asa soratra misongadina sahala amin’itony. Tantara natao ho an’ny rehetra ary misongadina manokana ao anatin’izany ny tantaran’ilay kitapo mis­tery. “Manampy be, in­drindra ny ankizy amin’ny lafiny rehetra ny fisian’ny asa soratra sahala amin’itony. Manintona sy misarika azy ireo ny fisian’ny sary sy ny loko miasa ao”, hoy i Marcel, nanjifa ny “Trafika”.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: