Njakatiana : « Te haneho seho goavana, amina toerana goavana… »

Andrasana fatratra izay ho fitrangan’ny sehon’i Njakatiana ao amin’ny Coliseum. Anisan’ireo mpanakanto mametraka fanamby ambony foana koa mantsy izy.

«Ho antsika mianakavy jiaby». Tsy lohatenin’ny fampisehoana akory, fa lohahevitra ho­voizina mandritra ilay fampisehoana hotontosain’i Njakatiana, ny alahady 4 oktobra izao, etsy amin’ny Coli­seum Antsonjom­be io. «Ny tarika Njakatiana te haneho zavatra goavana amina sehatra goavana ka io Coliseum io no lehibe indrindra, hatreto. Ha­ma­liana ireo mpankafy tsy dia havanana mijery seho anaty efitrano na kianja mitafo, ka manontany foana hoe rahoviana ny seho ankalamanjana lehibe?», hoy ny nambaran’i Njakatiana nandritra ny fampahafantarana ny seho tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny foiben’ny BGFI Bank etsy Ankoron­drano.
Mpanakanto sarotiny amin’ ny kalitaon’ny seho izay ataony hatrizay, no manana aingam-panahy miavaka hatrany i Njakatiana rehefa manao seho goavana. Ho maro ireo hanampy azy eny an-tsehatra, ahitana ireo mpanao feo lafika, ireo mpiangaly zavamaneno tsofina ankoatra ireo mpitendriny ma­hazatra. Hisy tarika mpandihy roa hafa koa ankoatra ny efa mpanaraka ny tarika. « Mitaky fanamafisam-peo raitra ary fi­taovana isan-karazany izany, ka hifarimbona ao ny Miritsoka sy Jay Audio », hoy hatrany i Njakatiana. Ny tarika no ma­nomboka ny seho lehibe fa hisy namana hasaina eny anelanelany eny. Ny maraina kosa, hisy mpanakanto hafa mihitsy mba hanafana tsikelikely ny sehatra mialoha, ho an’ireo tonga aloha.

Zo ny Aina

Partager sur: