Fodiamandrin’i Fabien Jamba: Andrasana eny amin’ny ANS ny razana

Nodimandry ny alarobia alina i Tovonkery Jean Fabien, na i Fabien Jamba. Mpihira, mpanafana lanonana no nahafantarana azy. Malagasy mpanakanto maro no efa niara-ni­asa taminy. Hira nahafantarana azy: “Ho faty”, “Annick”, sns. Efa narary teny amin’ny klinika Saint François d’Assise Anka­di­fotsy nandritra ny andro vitsy izy. Tojo fahalemena tampoka nandritra ny fotoana niakarany an-tsehatra tao amin’ny Le Glacier Analakely ary nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly. Fahatapahana lalandra tao amin’ny lohany no nahazo azy, raha ny fanazavan’ny olona akaiky azy ary efa vita ny fandidiana. Nandritra ny fito andro ny fitsaboana azy. Andro vitsy ihany koa izay no nanao antso tolo-tanana ny fianakaviany.
Raha ny fandaharam-potoana, nanomboka omaly tamin’ny roa ora tolakandro ny fiandrasana ny razana eny amin’ny ANS Ampefiloha. Anio amin’ ny 11 ora atoandro no miala eny an-toerana ary hoentina any Toliara. Mivantana avy hatrany any Anketa-Bas To­liara ny va­ta­na mangatsiakan’ity mpanakanto ity, vao tonga any Tolia­ra, raha ny fandaharam-potoana hatrany. Hampa­hafanta­rin’ny fianakaviany indray ao­rian’izay ny tohin’ny fandaharam-potoana any Toliary.
Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny Mala­gasy mpanakanto izahay eto amin’ny gazety Taratra.

Mi.Raz

Partager sur: